• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fmj
Image
Vaovao

JIOI 2023 - Andro voalohany : Medaly volamena 22 an'i Madagasikara

27/08/2023 07:04 © Moov.Mg

Mitarika i Madagasikara amin'ny "classement provisoire JIOI 2023". Medaly 22 be izao no azo omaly, 26 aogositra.

Heni-kaja sy heni-boninahitra i Madagasikara amin'ity andiany faha-11n'ny lalaon'ny Nosy ity. Raha ny vokatra vonjimaika omaly, manana medaly volamena miisa 22 be izao ny firenena malagasy, amin'ny "sports individuels"

Toy izao àry ny vokatra :
-Taekwondo : Medaly volamena 6, medaly volafotsy 1, medaly alimo 1
-Haltérophilie 12 : Medaly volamena 12, medaly volafotsy 4, medaly alimo 2
-Judo : Medaly volamena 3, medaly volafotsy 2, medaly alimo 5
-Natation : Medaly volamena 1, medaly alimo 1


Copyright Image : © FB

Fandresena amin'ny taranja rehetra

Mampisy fanantenana ihany koa ireo "sports collectifs", na dia amin'ny fifaran'ny lalao aza vao atolotra ny "médailles". Tamin'ny basket 5x5 omaly izao, samy nandresy avokoa na ny ekipa lehilahy na vehivavy. Ny baolina kitra kosa, nisaraka ady sahala tamin'i Maorisy ny Barea. Tsy adino ilay efa nandresena an'i Seychelles tamin'ny isa 1-0. Androany 27 aogositra, hiatrika fifaninanana ny ekipa Volleyball, eny amin'ny Gymnase Ankatso.
Hatreto aloha, vinavinaina hitana ny laharana voalohany i Madagasikara, indrindra moa raha mitohy hatrany ny ezak'ireo mpandray anjara. Mbola lavitra mantsy ny elanelan'isa amin'ny La Réunion, izay mitana ny laharana faharoa (medaly volamena 9).

Alefa Madagasikara !


Copyright Image : © resultats.jioi2023.org

Lire la suite

Articles Similaires