• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Arphine Helisoa
Image
Vaovao

Marc Ravalomanana : Nitsidika ireo naratra teny Mahamasina

26/08/2023 10:12 © Moov.Mg

I Marc Ravalomanana no mpanao politika faharoa, taorian'i Siteny Randrianasoloniaiko, namangy ireo naratra noho ny fifanosehana teny Mahamasina omaly, tamin'ny fanokafana ny Lalaon'ny Nosy andiany faha-11.

Fifampitsinjovana

Vao maraina, androany sabotsy 26 aogositra 2023, dia tonga teny amin'ny HJRA Anosy ny kandidà Marc Ravalomanana. Namangy ireo maratra manaraka fitsaboana eny ny tenany. Nanolotra ranom-boankazo ihany koa izy entina anampiana ireo marary sy ireo fianakaviana mikarakara.
"Mampalahelo ny zava-mitranga. Mirary fiononana feno sy fankaherezana ho an'ireo Fianakaviana namoy havana, ary mirary fahasitranana haingana ho an'ireo naratra teny Mahamasina", hoy ny tenany.

Lalaon'ny Nosy faha-3

Fanintelony izao i Madagasikara no mandray ny Lalaon'ny Nosy. Azo lazaina fa miakatra hatrany ny lentan'ny fikarakarana, indrindra moa eo amin'ny karazana seho an-tsehatra. Tamin'ity indray mitoraka ity no nisy voina nitranga satria te hiara-hifety ireo vahoaka aman'alina teto Antananarivo.
Na teo aza izany tranga mampalahelo izany, mitohy hatrany ny lalao rehetra. Anio hariva amin'ny 7 ora no hihaona amin'i Maorisy ny ekipam-pirenena Barea, amin'ny taranja baolina kitra. Ao amin'i kianja Mahamasina no ho tanterahina ny "match". Antenaina nefa fa tsy hisy intsony ny fifanosehana satria mila manana tapakila avokoa ireo te hijery rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires