• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Siteny Randrianasoloniako
Image
Vaovao

Siteny R. : Mangataka 3 andro fisaonam-pirenena

26/08/2023 06:45 © Moov.Mg

Omaly alina, taorian'ny fifanosehana teny Mahamasina, nitsidika sy nanolotra tolo-tanana ho an'ireo naratra tsaboina eny amin'ny HJRA i Siteny Randrianasoloniaiko. Nangataka 3 andro ho fisaonam-pirenena ihany koa ny tenany.

Fanehoana fiombonam-po

I Siteny Randrianasoloniaiko no mpanao politika voalohany nijery ny zava-misy marina teny amin'ny HJRA omaly. Raha ny tarehimarika azony tamin'ny 11 ora alina teo ho eo dia 13 no maty, 107 naratra ary 13 mila fandidiana aingana.
"Tena loza tsy roa aman-tany no novantaninay tao. Miara-ory aminareo aho Tompoko ary miara-maharary sy manaintaina aminareo mana-manjo sy maratra", hoy ny tenany tao amin'ny pejiny.

Fandraisana andraikitra sy fepetra

Hatreto aloha, mbola tsy namoaka fanambarana ofisialy tao amin'ny pejiny ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Ilay "iray minitra fahanginana" no nangatahiny omaly, nandritra ny kabariny tamin'ny lanonam-panokafana ny Jeux des îles 2023. Andrasana ny fandraisana andraikitry ny governemanta, ankoatra ny fiantohana ny fitsaboana ho an'ireo naratra. Maro ihany koa ireo vahoaka malagasy miandry ny fanehoan-kevitry ny avy ao amin'ny Tafika Malagasy mikasika ny andraikitr'izy ireo tamin'ny fitandroana ny filaminana teny an-toerana.

Lire la suite

Articles Similaires