• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Kolotv
Image
Vaovao

Fifanosehana tao Mahamasina : Am-polony no maty

25/08/2023 21:25 © Moov.Mg

Teo amin'ny tamin'ny 5 ora hariva teo ho eo no nisy tranga nampalahelo teo am-pidirana ny kianjan'ny Barea Mahamasina. 80 teo ho eo ny voaisa fa naratra, ary mihoatra ny folo ireo naratra.

Isaky ny misy lanonana goavana dia matetika ahitana maratra sy mamoy aina hatrany, indrindra ny eto antananarivo. Natao maimaimpoana moa ny fidirana ny kianja ka samy te hiditra ny rehetra. Nisy ireo efa nilahatra tamin'ny 6 ora maraina raha nisy kosa ny atoandro vao tonga teny an-toerana.
Androany hariva, tamin'ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny Lalaon'ny Nosy 2023, am-polony ireo maty. 80 kosa ireo naratra. Maherin'ny folo ireo mila fandidiana maika. Marihana fa mety hitombo ireo isa ireo rehefa manao tatitra ofisialy ny eo anivon'ny HJRA.
Nirohatra nankany amin'ny Urgence sy tranom-paty tetsy amin'ny HJRA ireo nanana havana na namana tsy hita nefa mbola tsy tafiditra tao an-kianja.

Firaisam-po sy fampaherezana

Nandritra ny lanonana, nangataka iray minitra fahanginana ny filoham-pirenena, nanehoana ny fiaraha-miory tamin'ireo namoy havana. Ny praiministra Christian Ntsay moa dia nitafa tamin'ny mpanao gazety teny amin'ny HJRA, nitondra teny fampiononana ho an'ireo niharam-boina amin'ny anaran'ny governemanta. Marihana fa ny fitondram-panjakana no mandray an-tanana ny saran'ny fitsaboana ireo naratra.


Copyright Image : © Léonie R

Lire la suite

Articles Similaires