• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

Itasy – Seha-pihariana ronono : Nozaraina fitaovana ireo mpisehatra

25/08/2023 14:47 © Moov.Mg

Nisatraka fitaovana maro isan-karazany ireo mpisehatra ao amin’ny seha-pihariana ronono tao amin’ny faritra Itasy iny. Natao izao mba hanatsarana ny vokatra ronono ao an-toerana.

Fizarana fitaovana

Tonga tao Antanikatsaka Analavory, faritra Itasy, ireo delegasiona avy amin’ny ministeran’ny Fambolena sy ny Fihompiana, ary nitondra fitaovana ho zaraina ho an’ireo tantsaha. Fitaovana maro isan-karazany no nozaraina tamin’izany. Tao ny bidons miisa 140 ho an’ireo mpiompy ombivavy be ronono, kit iray ho an’ny fampanarahana entin-tànana, lahin’omby efatra nohatsaraina ho an’ny fikambanan’ny mpiomy, fanarahana ny fananahan’ny ombivavy dimy, fanasivanana 10 sy angadin’omby 10 ho an’ny mpamokatra masom-boly, bisikileta 19, thermomètre, pince mouchette, ruban zoométrique, finday ho an’ny mpanentana, combinaison 19 sy gilet ho an’ny mpanentana sy ny mpampanaraka entin-tànana.

Fampiroboroboana ny sehatry ny ronono

Tanjona amin’izao hetsika fizarana fitaovana izao ny hampiroboroboana ny sehatry ny ronono. Fantatra tokoa mantsy fa mbola ambany ny tahan’ny vokatra ronono eto Madagasikara. 100 tapitrisa litatra isan-taona fotsiny izany ankehitriny, ary tokony hampiakarina ho 145 trapitrisa litatra isan-taona mba hahafana mamaly ny filàna. 8 litatra isan’andro isaky ny ombivavy no ronono azo raha toa ka tokony ho 15 hatramin’ny 20 litatra izany.
Mba hahafahana manatratra izany tanjona izany anefa dia mila tohana ireo mpisehatra. Anisany fomba fiady entina amin’izany ny fampitaovana azy ireo amin’ny alàlan’ny fanatsarana ny taranak’omby, ny fampanarahana entin-tànana, ny fanatsarana ny sakafo, ny famokarana masomboly vilona, ny fanamafisana fahaiza-manao. Hanampy ireo mpisehatra ho lasa matihanina izany ka hahafahana mamokatra ronono tsara kalitao sy betsakana.
Mitondra voka-tsoa ho an’ny toekarena ny fampiroboroboana ny seha-pihariana ronono, satria mampiodina ny tsena anatiny fa ihany koa miteraka asa ho an’ny tanora sy ireo tokatrano mila izany. Ankoatra ny lafiny toekarena dia fomba iray hahafahana miady amin’ny tsy fanjarin-tsakafo ihany koa ny fampitomboana ny vokatra ronono. Ny fahavitan-tena ara-tsakafo tokoa dia miankina be amin’ny fampitomboana ny vokatra anatiny.

Lire la suite

Articles Similaires