• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Antananarivo - FIA Mora : 300% ny fiakaran’ny fanjifana ny trondro

24/08/2023 11:05 © Moov.Mg

Hazan-drano : Nahitana fiakarany 300% ny fanjifana trondro eto Antananarivo sy ny manodidina noho ny fisian’ny tetikasa Fia Mora.

Natomboka tamin’ity herinandro ity, teto Antananarivo sy ny manodidina, ny drafitrasa Fia Mora. Raha tsiahivina dia tetikasa iray izay hiarahan’ny ministeran’ny Jono sy ny Toerakerana Manga sy ny orinasa tsy miankina izy ity. Mbola mitohy ny hetsika ary inoana fa hitondra vokatra tsaratsara kokoa hatrany.

Fitomboan’ny fanjifana

Tsara ny vokatra hatreto. Mihamaro ireo mpanjifa ny vokatra an-dranomasina hatramin’izay nisian’ny drafitrasa Fia Mora araka ny tatitra natoan’ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena manga. Nahitana fiakarany 300% tsinona ny tahan’ny fividianan’ny mpanjifa ny vokatra an-dranomasina.
Toerana enina eto Antananarivo sy ny manodidina no nametrahana ity hetsika miompana amin’ny fampitomboana ny fihinana hazan-drano ity. Fantatra ihany koa fa nahatratra hatramin’ny 3 Taonina ny lanjan’ny trondro lafo teny amin’ireo toerana voatondro, nandritra izay herinandro voalohany nisian’ny tetikasa izay. Trondro Drihy milanja hatrany amin’ny 4 Taonina kosa no heverina ho tonga eto Antananarivo amin’ity herinandro ity, ary ho amidy eny anivon’ireo toeram-pivarotana enina izany.

Tetikasa andrana

Mbola tetikasa andrana moa izao tanterahan’ny ministera izao. Haharitra roa volana izy io ary tanjona ny hanaparitahana azy any amin’ny faritra hafa. Tafiditra ao anatin’izany faritra izany ohatra i Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Alaotra Mangoro sy ny maro hafa. Manasa ani’reo orinasa tsy miankina misehatra amin’ny resaka jono ny ministera mba hiara-hiasa aminy amin’ny fanatanterahana ity drafitrasa ity.
Tanjona amin’ny fanatanterahana izao tetikasa izao ny hampitomboana ny fihinana hazan-drano. Ny firosoana amin’izany dia manampy amin’ny fanatratrarana ny tanjona izay miompana amin’ny fanjarian-tena ara-tsakafo.
Sakafo mitondra hery sy feno otrik’aina tokoa ny hazan-drano, ary manan-karena amin’izany i Madagasikara. Ankoatra izay dia mbola an-tapitrisany maro ireo malagasy miaina anatin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Vahaolana iray ahafahana miady amin’izany indrindra ny fampiroboroboana ny fihinana ireo karazana hazan-drano.

Lire la suite

Articles Similaires