• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena_Malagasy
Image
Vaovao

Lalaon’ny Nosy : Polisy miisa 1850 no hitandro ny filaminana

22/08/2023 13:37 © Moov.Mg

Andro sisa no isaina dia hanomboka amin’ny fomba ofisialy ny lalan’ny Nosy, izay ahitana fandraisan’anjaran’ireo Nosy enina hafa ato anatin’ny ranomasimbe Indiana.

Anisan'ny teboka iray lehibe mila jerena akaiky ny lafin’ny fitandroana ny filaminana. Mba hialana amin’ny mety olana dia tapaka fa polisy anarivony maro no hiasa isan’andro mandritra ny lalaon'ny Nosy 2023.

Hahatratra 1850 isan’andro ireo polisy hiasa

Amin’ny maha-fotoan-dehibe ity lalaon’ny Nosy 2023 izay ho tanterahana eto Madagasikara ity, tsy azo atao ambaninjavatra ny filaminana. Olona aman'aliny maro tokoa no heverina hifamezivezy eto an-drenivohitra mandritra ny fotoanan’ny lalao. Ao ireo malagasy avy any amin’ny faritra, ireo eto andrenivohitra, fa ihany koa ireo avy amin’ireo Nosy rahavavy.
Mba hahafahana mametraka izany filaminana izany dia tapaka ary fa polisy miisa hatramin’ny 1850 isan’andro no hahetsika. Noraisina nandritra ny fivoriana teo amin’ny lehiben’ny Polisim-pirenena, izay notarihin’ny ministry ny Filaminam-bahoaka izany fanapahan-kevitra izany.

Fiarovana ny toerana sy ny atleta

Anisan'ny asa ho sahanin’ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena mandritra ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy eto Madagasikara ny fiarovana ireo toerana izay hanatanterahana ireo karazan-dalao. Izany no atao dia ny mba hisorohana amin’ny mety ho tsy fitandroana ireo foto-drafitrasa isan-karazany (toa ny fanimbana sy ny fangalarana). Ankoatra ny fiarovana ny toerana dia hiaro ireo atleta ihany koa polisy. Araka ny vinavina tokoa mantsy, atleta manodidina ny 4 200 eo ho eo no ho raisin’i Madagasikara mandritra ity lalaon’ny Nosy ity.
Efa manomboka tonga tsikelikely eto Madagasikara ankehitriny ireo lehiben’ny delegasiona vahiny manana andraikitra amin’ity lalaon’ny Nosy ity. Fantatra ihany koa fa rahampitso 23 Aogositra no handray ny afon’ny lalao i Antananarivo. Ary ny Zoma 25 Aogositra no hanokafana amin’ny fomba ofisialy ity adiany faha-11 amin’ny lalaon’ny Nosy ity, ao amin’ny Stade Barea Mahamasina.

Lire la suite

Articles Similaires