• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

« Contravention » : Lany ny taratasy, sahirana ny mpitandro ny filaminana

22/08/2023 11:46 © Midi Madagasikara

Zara raha misy na tsy misy intsony ny taratasy fanasaziana azo ampiasaina. Vokatr’izany dia nihena koa ny voasakan’ny mpitandro filaminana satria tsy hitan’izy ireo izay hatao.

Saingy etsy andanin’izany dia mety hampiroborobo ny kolikoly ny fahalanian’ny “fiche de contravention” satria rehefa hita ho tsy ara-dalàna ny fiara kanefa tsy hita izay hatao dia mety ho terem-panahy ny hanotra ny mpitandro ny filaminana sasany. Izany no mitranga ankehitriny satria tsy tonga ara-potoana avy amin’ny trano printy io karazan-taratasy izay natao tena nanara-penitra kanefa tsy araka ny enti-manana amin’ny fanontàna azy ankehitriny. Sady misy “hologramme” no misy marika manokana an’ny ministera izay misahana ny fanasaziana ny taratasy vaovao. Ny tena olana dia tsy miloko izany ary tsy vita toa ny teo aloha intsony hoe hatao “photocopie” dia iny no ampiasaina. Mbola endrika iray tsy fandehanan’ny raharaham-panjakana ity tsy fisian’ny fitaovana ampiasaina ity ary mampikatso tanteraka ny fiainan’ny olona sasany.

Saika izay birao rehetra andehanana ankehitriny ka mila mamoaka taratasy misy marika manokana toa ny taratasim-piara vaovao, ny fahazoan-dàlana hamily, ny pasipaoro dia sahirana avokoa ary voatery miantona aza ny famoahana ny taratasy noho ny tsy fisian’ny avy any trano printy. Tsy misy afa-tsy ny olona mpanjifa no tena mijaly amin’izany voalohany satria na mba te-hiezaka hanara-dalàna aza dia voatery miandry na koa miditra amin’ny kolikoly.

Lire la suite

Articles Similaires