• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Nathaniel_Randriamifidy
Image
Vaovao

Zero accident : Tanjona apetraka hampihenana ny lozam-pifamoivozana

22/08/2023 11:00 © Moov.Mg

Mateti-piavy loatra ny lozam-pifamoivoizana tato ho ato. Any amin’ireo làlam-pirenena no tena ahitana izany.

Olona maro no mamoy ny ainy sy maratra vokatry ny tsy fitandremana miseho amin’ny endriny maro samihafa. Manoloana izany dia nanapa-kevitra ny hanamafy ny aro lozan’ny fifamoivoizana ny ministeran’ny Fitaterana sy ny avy eo anivon’ny zandarimaria.

Tranga namoizana ain’olona

Lozam-pifamoivoizana tsy latsaky ny roa no hita nihely teny amin’ny tambazotran-tserasera ny faran’ny herinandro teo iny. Ny alahady 20 Aogositra lasa teo ohatra dia olona miisa 23 teo ho eo no naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana izay niseho tao Marovoalavo Beforona amin’iny làlam-pirenena faharoa iny. Olona enina no namoy ny ainy ary nisy zaza menavava sy ankizy tamin’izany.
Ny fandehanana mafy foana matiteka no miteraka ny loza toa izao, fa mety ho anton’izany ihany koa ny mety ho tsy fahasalamanan’ny mpamily. Anisan'ny miteraka izany tsy fahasalamana izany ohatra ny tsy fahampiana torimaso. Eo ihany koa ny tsy fahatomombanana ara-mekanikan’ny fiara sy ireo kojakoja momba izany, ary ny fahasimban’ny làlana.

Zéro Accident

Manoloana ireo loza miseho etsy sy eroa, dia nisy ny fanambarana izay nataon’ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Fitaterana. Noresahana tamin’izany ireo fanapahan-kevitra ho raisina sy ireo fandraisan’andraikitra maro isan-karazany ho apetraky ny fanjakana manoloana ny fitombon’ny loza ara-pifamoivoizana toa izao.
Hisy araka izany ny fandrindrana ny asa, ary hapetraka ny tanjona iombonana lehibe indrindra, dia ny « Zéro Accident » izany. ireto avy ireo fepetra ho raisina hahafahana manatratra izany tanjona izany :
-Fanamafisana ny fanaraha-maso eo amin'ny fiaingan'ny fiara eny anivon'ny toby fiantsonana sy eny amin'ireo làlam-pirenena.
-Fanentanana, fampianarana ary fanabeazana
-Fampanarahan-dalàna ary fanasaziana ireo tsy manara-dalàna
-Fampiofanana mialoha ary aorian'ny trangana lozam-pifamoivoizana

Na dia eo aza anefa ny fametrahana ireo karazana fandrindrana samihafa, ho sarotra ny hanatratrarana ny tanjona « zéro accident » raha tsy samy mitandrina avokoa ireo mpamily. Lahitokana tokoa ny aina ka tokony ho tandrovana.

Lire la suite

Articles Similaires