• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Kolo Tv
Image
Vaovao

Oniversiten’Antananarivo : Mety ho taona fotsy !

21/08/2023 20:24 © Moov.Mg

Mitohy ny fitakiana ny fanajana ny zony ho an’ireo mpampianatra mpikaroka mpikambana ao amin’ny SECES eny Ankatso.

Nakatona ny vavahadin’ny Oniversite Ankatso

Tonga maro nanakatona ny vavahadin’ny Oniversite Ankatso androany ireo mpampianatra mpikaroka eo anivon’ny SECES Sampana Antananarivo. Mbola mitohy ny hetsika "Université Morte" izay natombok’izy ireo efa tamin’ny volana Jolay lasa teo. Mitsahatra hatrany, araka izany, ny fampianarana. Ankehitriny dia ireo mpampianatra ivelan’ny sendika an’ny mpampianatra sisa no manohy ny asany, izany hoe 1%-n’ny fampianarana sisa no mandeha fa ny 99% kosa dia mitsahatra, araka ny fanazavana nomen’ny talen’ny SECES Antananarivo.
Ahiana fatratra ny hisian’ny taona fotsy ho amin’ity taom-pampianarana 2022 – 2023 ity, noho izany, satria efa herinandro maro izay no tsy nisitraka fampianarana intsony ireo mpianatra. Misy ihany koa ny fahatarana ao anatin’ny programam-pampianarana vokatr’izany.

Fitakiana ny zony

« Mizotra mankany amin’ny taona fotsy ny ety amin’ny Oniversite. Tsy rarahian’ny mpitondra ny fitakianay. » hoy ireo mpampianatra, araka ny vaovao hita miparitaka eny amin’ny tambazotran-tserasera Facebook. Miompana amin’ny fitakiana ny fanajana ny zon’izy ireo izao fitokononana izao, araka izany.
Raha tsiahivina dia takian’izy ireo ny fandohavana ny tambin-karaman’izy ireo ny nandritra ny taom-pianarana 2018 # 2019, fa ihany koa ny tambin-karamam-pikarohana ny taona 2018.
Ankoatra izany dia mangataka ny fankatoavana ny didim-panjakana mamaritra ny satan’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra.

Miandry ny famahana ny olana farak'izay haingana ireo mpampianatra. Ahiana ny hisian’ny taona fotsy ho an’ny Oniversiten’Antananarivo, raha toa ka tsy voavaha ny olana. Efa hifarana mantsy ny taom-pampianarana ho an’ity taom-pampianarana 2022 - 2023 ity.


Copyright Image : © RFI

Lire la suite

Articles Similaires