• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Wikipedia
Image
Vaovao

Bac 2023 Antananarivo : Aman-jatony ireo mpampianatra nanao ny délibération !

21/08/2023 19:33 © Moov.Mg

Naely tamin'ireo fitaovan-tserasera sy tambazotra maro fa 7 ihany no isan'ireo mpampanatra niatrika ny "Délibération" mba amoahana ny Résultats Bac Antananarivo 2023. Nandiso izany vaovao izany nefa ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Ofisin'ny Bakalorea androany alatsinainy 21 aogositra 2023.

Diso ny filazana fa mpampianatra mpitsara vitsy kely no nanaiky hanatanteraka ny "délibération bac Tanà 2023" ny asabotsy 19 aogositra lasa teo. Misy mihitsy aza moa ireo nilaza fa voavidy vola ireo tompon'andraikitra ireo.

Taham-pahatongavana 25%

Manambara ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony fa maherin'ny zato ny "correcteurs" nanotrona ny "délibération", sady nandray ny volany iny harivan'ny sabotsy iny. Miisa 120 teo ho eo moa no nisitraka ny tambin-karama iny andro iny.
Marihana fa rehefa nahare ireo mpampianatra hafa hoe efa afaka mandray vola, niakatra hatrany amin'ny 800 ireo nanao sonia tamin'ny fiche de présence na fanamarinam-pahatongavana.
Nitohy androany 21 aogositra ny fizarana ny "vacation" ho an'ireo correcteurs ireo. Nahazo ny anjarany avokoa moa na ireo nanotrika ny débibération na tsia.

Natao izany fanambarana izany ampahatsiahivana ny rehetra fa manan-kery soa aman-tsara ny diplaoma bakalorea 2023. Tsy tokony hanana ahiahy ireo mpiadina sy ireo ray aman-dreny satria nanaja ny lalàna mifehy ny fanadinam-panjakana ny fanaovana délibération sy ny famoahana ny vokatra.

Bac Toamasina 2023

Nivoaka izao hariva izao ny résultats Bac Toamasina 2023. Ho an'ireo mampiasa ny tambazotra Telma, azo atao tsara ny mandefa SMS amin'ny laharana 601. Ny numéro d'inscription moa no alefa SMS.

Lire la suite

Articles Similaires