• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Primature - Lapan'I Mahazoarivo
Image
Vaovao

Fandraharahana : Omena laka ny fandraisana anjaran’ny tanora

21/08/2023 15:29 © Moov.Mg

Tontosa androany Alatsinainy 21 Aogositra 2023 tetsy Anosy ny Atrikasa fankatoavana ny drafitra hampiharana ny programa fampananan’asa sy fandrisihana ny tanora amin’ny Fandraharahana.

Mitàna anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena tokoa ny fandraisana anjaran’ny tanora ao anatin’ny sehatry fandraharahana, indrindra ho an’ny firenena andàlam-pandrosoana toa an’i Madagasikara. Nisy araka izany ny programa napetraka hampiroboroboana io sehatra io.

Atrikasa fankatoavana

Araka ny voalaza tetsy ambony dia notanterahana tetsy Anosy androany ny atrikasa fankatoavana ilay programa fampananan’asa sy fandrisihana ny tanora. Efa nisy ny fihaonana maro talohan’izao atrikasa fankatoavana izao. Efa nisy araka izany ny adi-hevitra sy ny fandrosoana soso-kevitra teo amin’ireo mpiara-miombon’antoka isan-karazany.
Nifantoka manokana tamin’ny fandraisana ny hevitr’ireo tanora Malagasy ireo fihaonana izay efa notanterahana ireo. Fotoana izay nahafahana nihaino sy nandinika ireo hetaheta ny tanora, fa ihany koa nahafahana namantatra ireo zavatra ilain’izy ireo amin’ny tontolon’ny asa. Anisan’ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara amin’ity programa ity ny Firenena mikambana izay ahitana ny UNICEF sy ONUDI.

Fanatsarana ny tolotra

Anisany olana iray goavana izay atrehan’ny tanora malagasy ny fahavitsian’ny tolotr’asa. Maro araka izany ireo tanora manana diplaoma no tsy an’asa. Vahaolana iray mahomby manoloana izany anefa ny fandraharahana, izay efa manomboka miroborobo ankehitriny.
Araka ny voalaza nandritra ity atrikasa izay natao androany ity dia lafin-javatra telo no tsimaintsy jerena raha te hanatsara ny tontolon’ny asa eto Madagasikara. Resahana ao anatin’izany ny tolotra, ny tinady, ary ny lafiny fitantanana. Zava-dehibe ihany koa ny fanatsarana ny tolotra amin’ny alàlan’ny fanamafisana ny fahaiza-manao izay mikasika manokana ireo tanora. Ankoatra izay dia ilaina ihany koa ny fanatsarana ny ireo sehetra rehetra mety hiteraka asa toa ny fandraharahana.
Nandritra ny fandraisam-pitenenana izay nataon’i Praiministra Ntsay Christian, androany, dia nilaza ny tenany fa ilaina ny fanohanana bebe kokoa ireo tanora eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Maro tokoa izy ireo no voakasik’ity finiavana hanatsara ny fampananan’asa sy fampandraharahana ny tanora ity. Mizotra manaraka izany ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana hoy hatrany ny tenany.
Endrasana aorian’izao atrikasa fankatoavana izao, araka izany, ny fivoaran’ny sehatry ny asa eto Madagasikara, indrindra ho an’ireo tanora izay maro an’isa. Mbola maro anefa ireo ezaka mila atao.

Lire la suite

Articles Similaires