• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Voahirana_Ralantoarisoa
Image
Vaovao

Taolagnaro : Tafapetraka ny fanabeazana ho an’ny fiaraha-monina mirindra

21/08/2023 11:19 © Moov.Mg

Fototra iray lehibe miantoka ny fandrosoana ny fanabeazana. Ao anatin’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpanabe, fa ihany koa ao anatin’ny fanatsarana ny fanabeazana dia misy ny tetikasa izay tanterahan’ny eo anivon’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ankehitriny.

Miompana amin’ny fanabeazana ara-pananahana izany amin’ny ankapobeny.

Fanombohan’ny tetikasa ao Taolagnaro

Anisan’ireo faritra mampihatra ity tetikasa mifototra amin’ny fanatsarana ny fanabeazana ity i Taolagnaro. Napetraka tamin’ny fomba ofisialy tany an-toerana araka izany ny tetikasa Fanabeazana ho an’ny fiaraha-miaina mirindra na ny « éducation à la vie en harmonie » (EVH) amin’ny fiteny baiko.
Tonga nanome voninahitra ny fotoana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny tany an-toerana. Anisan’izany ny Tale Jeneraly misahana ny sekoly Lisea Pôle Taolagnaro. Nanotrona ny fotoan ihany koa ny Tale misahana ny fampiarana malala-drafitra sy ireo tompon’andraikitry ny fanabeazana ao amin’ny faritra Anosy, izay notarihin’ny talem-paritra any an-toerana.

Fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana

Anisan’ny olona iray lehibe mbola hita eny anivon’ny sehatry ny fanabeazana ny fitondrana vohoka aloha loatra. Fantatra ihany koa 31% ny tovovavy malagasy eo anelanelan’ny 15 sy 19 taona eo no mitondra vohoka, ary 27% no teraka soa aman-tsara, araka ny antontanisa nivoaka ny taona 2022. Aorian’ny fitondrana vohoka sy ny fiterahana dia voatery mijanona ny fianarany ireo ankizy, amin’ny ankapobeny.
Izany indrindra no anto-pisian’izao tetitakasa izao. Tanjona napetraka amin’izany tokoa manko ny hampihenana ny fanaovana firaisana ara-nofo sy ny fitondrana vohoka aloha loatra. Fantatra amin’ny fiteny baiko hoe « Education complète à la sexualité » (ECS) moa izany. Araka izany, vinan’ny fanabeazam-pirenena ny hitaizana ny tanora, na ireo zatovo lahy na ireo zatovo vavy, mba tsy hiditra aloha lohatra amin’izany firaisana ara-nofo. Izany moa matetika dia mitarika amin’ny fitondrana vohoka, ka manosika ireo ankizy, indrindra indrindra ireo zatovo vavy, hiala amin’ny fianarana.
Zava-dehibe ny fikolokoloana ny tanora mba hahatonga azy ireo ho olom-banona sy ho tafita amin’ny fiainana. Manana anjara asa lehibe amin’izany anefa ireo mpanabe sy ny toeram-pianarana, fa indridnra indrindra ireo ray aman-dreny sy ny fiarahamonina.

Lire la suite

Articles Similaires