• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Andry Rajoelina : Nambabo ny faritra Atsimo Andrefana

20/08/2023 12:44 © Moov.Mg

Nihazo an’iny faritra Atsimo Andrefana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny Zoma 18 Aogositra sy ny Sabotsy 19 Aogositra lasa teo.

"Séries d'inaugurations" na fitokanana maro no tena nalehan'i Andry Rajoelina tany Toliara, ankoatra ny nandraisany ny Afon'ny Lalaon'ny Nosy. Teo ihany koa ny fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny fananganana fotodrafitrasa hafa.

Ireo fanokanana natao ny andro voalohany

Anisan'ny fotodrafitrasa voalohany notokan’ny Filoha nandritra ny diany tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny ampahan-dàlana amin’ny làlam-pirenena faha-sivy. Lalana mitotaly 162,785 km no notokanana tamin’izany. Ny ampahan-dàlana voalohany dia mampitohy an’Analamisampy sy Bevoya izay mirefy 85 km. Ny ampahan-dàlana faharoa kosa dia mirefy 77,785 km, izay mampitohy an’i Bevoay sy i Manja.
Fotodrafitrasa maro hafa no notokanan’ny filoham-pirenena ny andron’ny zoma, toa ny biraon’ny fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka, sy ny « Hôtel des Finances » Toliara. Mbola ny andro voalohany ihany koa ny nanokanana ny Lemaka bas Mangoky, izay marihina fa hitarina hatrany Morombe. Tao ihany koa ny fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny fanamboarana ny tetezan’i Mangoky, ilay tetezana lava indrindra eto Madagasikara, mirefy 878 metatra.
Nanamarika io andro voalohany tamin’ny dian’ny Filoha io ihany koa ny fandraisana ny afon’ny Nosy tao Toliara.


Copyright Image : © PRM

Andro faharoa tamin’ny dian’ny filoha tany Atsimo Andrefana

Anisany fotodrafitrasa lehibe sy manandanja notokanan’ny filoha tany amin’iny faritra iny ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro tao Betsinjaka. Manana tanjaka 2,9 MW izy ity ary hiantoka ny 50% ny filàna herinaratra ao Toliara amin’ny atoandro. Avy eo dia niroso tamin’ny fanokanana ny Rocade Victory sy Ankadoro, ny Tsena Antaninarenina sy ny tsena Manarapenitra Bazaribe.
Nanolotra ny fanamarinana ny maha seranam-piaramanidina iraisam-pirenena an’i Toliara Andranomena ihany koa ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritra ny diany tao Toliara. Araka izany, io ao Toliara io no seranam-piaramanidina faharoa lehibe indrindra eto Madagasikara, aorian’ny seranam-piaramanidin’Ivato Antananarivo.


Copyright Image : © PRM

Lire la suite

Articles Similaires