• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Université D'Antananarivo
Image
Vaovao

Baccalauréat 2023 - Antananarivo : 58,56% ny taham-pahafahana

19/08/2023 19:07 © Moov.Mg

Tontosa ny hariva teo ny délibération. Vinavinaina hivoaka androany alina ny voka-panadinana. Rahampitso maraina raha ela indrindra izany "résultats" izany.

9,50/20 ny salan'isa farany ambany

Tsy voatery nahazo salan'isa 10/20 vao afaka fanadinana bakalorea tamin'ity taom-pianarana 2022-2023 ity. 9,50/20 mantsy ny naoty farany ambany tapak'ireo "membres du Jury" tamin'ny déliberation. Raha ny tarehimarika indray dia 58,56 % ny taham-pahafahana ho an'ny sokajy ankapobeny ary 66,91 % ho an'ny sampana teknika.
A1 65,57 %
A2 59,67 %
L 68,82 %
C 55,33 %
D 48,16 %
S 34,62 %
OSE 55,18 %
TP 66,80 %
TT 68,79 %

Fandaminana vonjimaika

Nitohy hatrany ny fifampiraharahana teo amin'ny Oniversiten'Antananarivo sy ireo mpampianatra mpitsara. Tamin'ny 5 ora hariva teo ho eo no notanterahina ny "délibération", na dia mpampianatra mpitsara vitsivitsy ihany aza no nanatrika. Nampiantso ireo mpampianatra ny ofisin'ny bakalorea fa tokony tamin'ny 2 ora tolakandro izany. Mbola nisy nefa ny fifampiandrasana. Nisy ihany koa ireo mpampianatra tsy nanaiky nanatanteraka izany, sy ireo tsy navela hanatrika. Araka ny vaovao azo, 7 tamin'ireo mpitsara 3 000 ihany no nanao ny fanapahana ny naoty farany ambany.
Ny sabotsy 19 aogositra alina no tokony hipetraka amin'ny "site web"n'ny ministeran'ny fanabezam-pirenena ny vokatra. Azo atao ihany koa ny manontany izany amin'ny alalan'ny finday (SMS). Ny alahady 20 aogositra kosa no tombanana hipetaka ireo peta-drindrina eny amin'ireo foibem-panadinana rehetra.

Site web : https://bacc.tananarive.digital.gov.mg na https://bac-madagascar.net/antananarivo.html

SMS : Alefaso SMS amin'ny laharana 601 ny numéro d’inscription (saran'ny SMS Telma : 900 Ar)

Mikasika ny "vacation" indray, misy efa nahazo ny volany ireo mpampianatra, nanomboka tamin'ny 6 ora hariva teo. Mitohy amin'ny alatsinainy ny fizarana ny vola ho an'ireo izay tsy nahazo androany. Nomarihan'ireo tompon'andraikitra fa misitraka ny zony avokoa na ireo nanatrika na ireo tsy nanatrika ny délibération.
Andrasana kosa ny vaovao mikasika ny taham-pahafahana.

Fitaintainana

Ao anatin'ny "suspens" tanteraka ireo mpanala fanadinana sy ireo ray aman-dreny. Tokony efa tamin'ny alakamisy lasa teo mantsy no nivoaka ny vokatra. Maro ireo efa tsy nanatena ny hahazo ny vokatra raha tsy amin'ny herinandro, noho ny olana teny amin'ny Oniversiten'Antananarivo.

Tsy vitsy ireo efa manantena ny ho afa-panadinana. Maro nefa no tena matahotra satria tsy voatery ireo mahay tany am-pianarana no afaka fa ireo mahay manala fanadinana.


Copyright Image : © 24hMada

Lire la suite

Articles Similaires