• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Antsirabe : Lehilahy hita faty teo anoloan’ny katedraly

19/08/2023 07:27 © Midi Madagasikara

Hatairana ny an’ny rehetra, omaly maraina tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra tao. Lehilahy iray, efa tsy nisy aina intsony no hita nipetraka niankina teo amin’ny tambohon’ny katedraly.

Tamin’ny voalohany dia noheverin’ny olona fa natory fotsiny ity lehilahy ity, kanefa rehefa nandeha ihany ny fotoana ary rehefa nodinihana dia sady tsy miaina no tsy mihetsika intsony izy. Nantsoina avy hatrany ny tompon’andraikitra ka fantatra teo fa efa vatana mangatsiaka sisa ny an’ity lehilahy ity. Efa namoy ny ainy efa elaela ihany izy.

Raha ny angom-baovao azo dia voalaza fa karazan’irony olona tsy manan-kialofana sy mpatory an-tsena irony ity lehilahy manodidina ny 65 taona ity. Hatreto tsy fantatra mazava izay tena antony nahafaty azy. Vinavinan’ny rehetra ho mety hanohanana notapohin’ny hatsiaka, izay efa hiaraha-mahalala any an-toerana. Na izany na tsy izany aza anefa, nanokatra fanadihadiana ihany ireo tompon’andraikitry ny filaminana, mahakasika izay. Ny vatana mangatsiakan’ity lehilahy ity kosa dia efa nentina avy hatrany nihazo ny tranom-paty.

Fa ankoatr’izay, dia nahitàna tranga hafahafa ihany koa teny Ambalakisoa ny alakamisy lasa teo. Tamin’ity indray mitoraka ity indray dia fatin’olona efa maina no nisy nahita tsy lavitry ny tokatrano iray teny amin’io fokontany io. Tsy ny vatany rehetra anefa fa ny karandohany fotsiny no nisy nametraka sa nandatsaka tamin’izany toerana izany. Efa nampandrenesina moa ny tompon’andraikitra ary efa mandeha ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity.

Lire la suite

Articles Similaires