• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Miahy Tia
Image
Vaovao

Baccalauréat 2023 - Antananarivo : Manahy "fuite des résultats" ireo mpampianatra

18/08/2023 21:00 © Moov.Mg

Baccalauréat 2023 - Antananarivo : Tsy nahitam-bokatra ny fihaonan'ireo mpampianatra mpitsara fanadinana tamin'ny filohan'ny Oniversiten'Antananarivo ny 18 aogositra. Tsiahivina fa efa tokony ny 17 aogositra ny "déliberation" saingy tsy tontosa mihitsy izany hatramin'ny 18 aogositra hariva.

Fitakiana Vacation

Ny fahazoana ny taratasy angalana ny volan'izy ireo eo anivon'ny Ofisin'ny Bakalorea no andrasan'ireo mpampianatra mpitsara, izay vao manaiky hiroso amin'ny "délibération" izy ireo. Roa andro izay no lasa nefa tsy nahita vahaolana ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny. Ny sabotsy 19 aogositra nefa dia ahiana tsy hiakatra eny Ankatso ny ankamaroan'ireo mpampianatra sy mpiasa eny anivon'ny Anjerimanontolo. Tombanana tsy hivoaka amin'ity faran'ity herinandro ity araka izany ny "résultats" ho an'Antananarivo. Tebiteby sy ahiahy ny an'ireo mpianatra izay niatrika izany fanadinam-panjakana izany.

Fanahiana fanaparam-pahefana

Manahy ny amin'ny amoahan'ireo tompon'andraikitra ny valim-panadinana ireo mpampianatra mpitsara raha tena tsy manaiky hanao "délibération" izy ireo. Tranga mbola tsy nisy izany, saingy noho ny toe-draharaha mafana eto amin'ny firenena, dia mametraka ny ahiahiny ireo mpitokona. Raha izany tokoa no mitranga dia mety hisy fiantraikany ratsy amin'ireo mpianatra. Tsy vitsy ireo oniversite sy toeram-piofanana tsy handray ireo mpianatra ho afaka Bac amin'ity 2023 ity. Ny hoavin'ny tanora malagasy no mitady ho simba, indrindra moa raha tsy manankery etsy sy eroa ny diplaoma bakalorea 2023.

Fanavaozana maharitra

Raha teny amin'ny Cathédrale Médecine ireo mpampianatra mpitsara bakalorea no nitokona, nisy fitakiana ihany koa teny ambony, izany hoe manoloana ny fiadidiana ny Oniversité. Ireo mpampianatra mpikaroka (SECES Antananarivo) dia manohy ny fitokonana noho ny tsy fahazoana valin-teny mahafa-po, efa herinandro maromaro lasa izay. Mangataka ny hialan'ny Minisitry ny fampianarana ambony moa izy ireo. Ny fihaonana amin'ny filoham-pirenena ihany koa no tena tanjon'izy ireo mba hiarahana mandinika vahaolana maharitra.
Samy misy olana avokoa na ireo efa ao amin'ny Anjerimanontolo na ireo vao mikasa hiditra amin'izany tontolon'ny fampianarana ambony izany. Tena ilaina araka izany ny fanavaozana ny fandaminana ny ny politikam-pampianarana eto Madagasikara, indrindra ny eny amin'ny oniversitem-panjakana.

Lire la suite

Articles Similaires