• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Actus Mada
Image
Vaovao

Afon'ny Lalaon'ny Nosy 2023 : Tongasoa ao Toliara

18/08/2023 19:33 © Moov.Mg

Tonga ao Toliara androany ny afon'ny Lalaon’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indiana 2023 ka notsenain'ny Filoha sy ny vahoala marobe teny amin'ny Seranam-piaramanidina Ankoronga Toliara.

Ny kitan'ny baolina kitra Malagasy avy ao Toliara, Maitre Kira, no nitondra ny afo namakivaky ny tanàna.

Rehefa avy tany avaratra, tongasoa any atsimon'ny Nosy ny "Flamme des Jeux des Iles 2023". Antsiranana sy Mahajanga no efa nandalovan'ity afo ity ka izao tonga ao Toliara izao. Tanjon'ny fitetezam-paritra moa ny ampiainana ny fandraisana makotrokotroka ny lalaon'ny Nosy andiany faha-11 izay tanterahina eto Madagasikara. Mbola handalo an'i Fianarantsoa sy Toamasina moa izany afo izany vao horaisina eto Antananarivo ny 23 aogositra ho avy izao. Hirehitra eto an-drenivohitra ny afon'ny Lalaon'ny Nosy mandritra ny fifaninanana, izany hoe tsy ho faty raha tsy amin'ny 3 septambra.

Fihazakazahana amin'ny fanomanana faramparany

Amin'izao herinandro mialoha ny Lalaon'ny Nosy izao, efa tafapetraka eny an-dalambe rehetra eny ireo sainam-pirenen'ny Nosy rehetra mpandray anjara. Tsy adino ireo takelaka misy sary fanehoana isan-karazany anamarihana ny fandraisana izany lalao izany. Araka ny nambaran'ireo federasiona tsirairay, efa vonona avokoa ny toerana handraisana ny taranja tsirairay.
Mbola tsikaritra kosa nefa fa mbola maro ireo asa fanamboarana eny rehetra eny. Tsy vitsy ireo lalana eto Antananarivo no amboarina, toy ny eny amin'ny 67ha, ny eny Andravoahangy ambony, ny eny Ampandrana ary ny eny Antsakaviro. Maro no manontany tena hoe ho vita mialoha ny fandraisana ny Lalaon'ny Nosy ve ireo "arrêts" amin'ny fitaterana téléphérique. Mbola misy fiarovana vy avokoa mantsy izy ireny.

Fandraisana vahiny

Vinavinaina ny hiverenan'ny fitohanan'ny fifamoivozana sahady eto an-drenivohitra. Na mbola ao anatin'ny vanim-potoanan'ny fialan-tsasatra aza mantsy, hitombo be ny fampiasana lalana amin'ny herinandro ho avy io, ambara-pahatapitry ny Lalaon'ny Nosy. Ho raisina manomboka ny alatsinainy ho avy izao mantsy ireo delegasiona avy amin'ireo Nosy rahavavy.

"Fandresena anaty firaisan-kina sy fahasamihafana"
Alefa Madagasikara !


Copyright Image : © Actus Mada

Lire la suite

Articles Similaires