• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Andry_Rajoelina
Image
Vaovao

Andry Rajoelina : Fotodrafitrasa maro no tokanana ao Atsimo Andrefana

18/08/2023 15:14 © Moov.Mg

Taorian’ny fihaonany tamin’ny Papa François dia nitodi-doha aty Madagasikara indray ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Mihazo an’iny faritra Atsimo Andrefana iny ny tenany androany, ary foto-drafitrasa maro no tokanany amin’izany.

Fahavitan’ny RN9 sy fanamboarana ny tetezan’i Mangoky

Hanomboka amin’ny fitokanana ny ampahany amin’ny làlam-pirenena faha-9 (RN9) izay mitotaly 162,785Km ny dian’ny filoha androany any amin’iny faritra Atsimo Andrefana iny. Ao Ankatsakatsa raha ny marimarina kokoa, no hanaovana izany fitokanana izany. Mahazo tombony manokana amin’izao fahavitan’ny làlana izao ireo mponina any an-toerana satria manamora ny fivezivezen’ny olona sy ny fampiakarana ireo vokatra any amin’ny renivohitr’i Toliara izany. Adin’ny dimy ankehitriny no hanaovan’izy ireo ny làlana mampitohy an’Ankatsakatsa sy Toliara, raha toa ka 5 andro izany teo aloha rehefa fotoam-pahavaratra. Hita, araka izany, fa tena manamora ny fiainan’ny vahoaka any an-toerana ny fahavitan’io ampahan-dàlana io.
Ankoatra ny fitokanana ny RN9 dia hiroso tamin’ny fametrahana ny vato fehizoro ho fanombohana ny fanamboarana ny tetezan’i Mangoky ihany koa ny filoha. Marihina fa ity tetezana izay havaozana ity dia ny tetezana lava indrindra eto Madagasikara, satria mirefy 878 metatra izy io.

Fitokanana samihafa

Aorian’ny fanokanana ny ampahan-dàlana RN9 sy ny fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny asa fanamboarana ny tetezan’i Mangoky dia hihazo an’i Tuléar Andaboly ny Filoha. Fotodrafitrasa maro no ho tokanana amin’izany, toa ny biraon’ny Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka, ny « Hôtel des Finances », ny làlana Rocade Victory sy Andakoro. Eo ihany koa ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny tobim-pamokarana herinaratra amin’ny alàlan’ny masoandro na ny « Centrale Solaire » ao Andranomena.
Anisan’ny fotodrafitrasa lehibe ho tokan’i Filoha-mpirenena ao Toliara, ary efa andrasan’ny maro, ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena (Aéroport International) ao an-toerana. Farany dia hanome voninahitra ny fandraisana ny Afon’ny Lalaon’ny Nosy izay andrasana androany hariva ihany koa i Andry Rajoelina. Atleta malagasy miisa 23 no fantatra fa handray anjara amin'ny fitondrana izany.
Inoana hitondra voka-tsoa sy fandrosoana ho an’ny faritra Atsimo Andrefana ny fahavitan’izao fotodrafitrasa isan-karazany izao. Aorian’ny fisokafan’izao seranam-piaramanidina iraisam-pirenena izao dia antenaina ny firoboroboan’ny fizahantany any amin’iny faritra iny amin’ny alàlan’ny fahatongavan’ireo mpizahantany malagasy sy vahiny.

Lire la suite

Articles Similaires