• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mjm
Image
Vaovao

Fambolena ho an’ireo voafonja : Hampitomboana ny velara-tany ho volena

18/08/2023 09:40 © Moov.Mg

Tonga nitsidika ny « Camp Pénal » ao Iadilagnana Ambositra ny ministry ny Fitsarana, Ramanantenasoa Landy Mbolatiana omaly 17 Aogositra. Niompana tamin’ny fijerena ireo voly izay efa napetraka tao an-toerana ny diany, raha ny mariarina kokoa.

Velaran-tany hatramin’ny 120 Ha no ho volena

Nandritra ny diany tao amin’ny Camp Pénal Iadilagnana Ambositra dia nijery akaiky ireo voly izay efa napetraka tao an-toerana ny ministra. Amin’izao volana Jolay sy Aogositra izao tokoa dia maina ny tany noho ny tsy fisian’ny orana. Mifantoka amin’ny fambolena mifanaraka amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina ny voly atao araka izany. Fantatra ary fa fambolena mangahazo amin’ny velaran-tany mirefy 20 ha no tanterahana eo amin’io tany fambolen’ny fonjan’i Iadilagnana io ankehitriny.
Tsy hijanona amin’io velaran-tany 20 ha io anefa ny fambolena, araka ny nambaran’ny ministra. Napetraka araka izany ny tanjona hampitomboana hatramin’ny 120 ha, ny velaran-tany ho volena mandritra ny taona ho an’i fonjan’Iadilagnana manokana. Andrasana amin’izany, ny hitomboan’ny vokatra azo eo anivon’ity fonja ity mba hahafahana manatsara ny fisitrahana ara-tsakafon’ireo voafonja.

Teknikam-pambolena vaovao

Ankoatra ny fampitomboana ny velaran-tany ho volena dia nanambara ihany koa ny ministra fa homen-danja manokana ireo kazana fambolena mamokatra ao an-toerana, araka ny fifanarahana natao tamin’ny ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana. Tsy mijanona amin’ny fambolena tsotra nenti-paharazana araka izany ny fomba fambolena, fa mampihatra ny fomba fambolena ara-teknika, izay natomboka amin’izao fambolena mangahazo izao, izay nampiharana ny teknika atao hoe « basket composte ». Mangahazo 20 kg isaky ny fototra ary vokatra hatramin’ny 40 taonina isaky ny hektara no ho azo amin’ny alàlan’ity teknika iray ity.
Anisan’ny zo fototry ny olom-belona sy ny voafonja tokoa ny misitraka sakafo ara-pahasalamana sy ampy. Ny fanajana ireo zo ireo dia mifandraika amin’ny velirano fahatelo sy fahasivy hoy ny ministra. Ankoatra ny fahavitan-tena ara-tsakafo, dia tanjona amin’izao tetikasa fambolena eny anivon’ny fonja izao ihany koa ny hanabeazana ireo voafonja sy ny hanomezana traikefa ara-pambolena azy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires