• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Midi Madagasikara
Image
Vaovao

Ambatondrazaka : Mpamonjy famadihana maty voahitsaky ny kamiao

18/08/2023 06:17 © Midi Madagasikara

Nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tao an-tampon-tananan’Ambatondrazaka afakomaly maraina

Fiarabe iray no nanitsaka ramatoa teo amin’ny lalana mihazo an’i Madiotsifafana. Nandriaka ny rà, namonto ny arabe. Maty tsy tra-drano ilay renim-pianakaviana. Raha ny fampitam-baovao azo dia avy lavitra ity vehivavy namoy ny ainy ity. Namonjy lanonana famonosan-damban-drazana no niakarany tao Ambatondrazaka. Tamin’io fotoana io, raha ny angom-baovao azo hatrany, dia handeha hividy lambandrazana any an-tsena ny diany.

Nitaingina taxi-bisikleta izy tamin’io fotoana io. Kanjo nony tonga teo amin’io toerana io dia nianjera avy eny ambonin’io fitaovam-pitaterana nandehanany io ilay ramatoa ary notsenain’ilay fiarabe. Voadona ary notetezin’ny kodiarana ka izao namoy ny ainy izao. Taorian’ny fitsirihana nataon’ireo tompon’andraikitra moa dia efa natolotra ny fianakaviana ny razana. Efa misokatra kosa ny fanadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana.

Lire la suite

Articles Similaires