• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Marc Ravalomanana
Image
Vaovao

Marc Ravalomanana : Tafaverina ilay pejy facebook piraté

17/08/2023 15:18 © Moov.Mg

Tafaverina soa aman-tsara ilay kaonty facebook "Marc Ravalomanana -Ofisialy". Nandritra ny roapolo andro teo ho eo no nisy nanao "piratage" izany pejy izany.

Ady politika

Heverin'ny maro fa noho ny disadisa politika no nahatonga ny fanaovana "piratage" ny pejy, izay efa nisy mpanaraka maherin'ny 750 000. Ny 31 jolay lasa teo moa no nisy "publication" nataon'ny tompon'ny pejy, ka horonan-tsary vetaveta no nisy nandefa tao avy eo. Tsy nisy azon'ireo "admin" atao satria tsy nanana "accès" intsony izy ireo. Tsy vitsy ireo nanakiana ny filohan'ny antoko TIM ho mpankafy irony horonan-tsary mamoafady irony. Azo lazaina fa fanalam-baraka sy fanaratsiana ny nahatonga ilay "piratage".
Androany 17 aogositra, nanao fanambarana ofisialy i Marc Ravalomanana fa miverina amin'ny laoniny izany pejy izany. "Tsy kely lalana ny ratsy", hoy ny tenany. Mifaly araka izany ireo mpanara-dia ny antoko TIM satria misitraka ireo vaovao rehetra ifampizarana, indrindra moa ny amin'ny dian'ny mpitarika manerana ny nosy.

Fitetezam-paritra

Na mbola tsy fotoanan'ny fampielezan-kevitra aza izao, azo lazaina fa manatanteraka fitetezam-paritra avokoa ireo mikasa hirotsaka ho kandidà amin'ny fifidianana filoham-pirenena.
Raha ho an'ny kandida Marc Ravalomanana manokana, any Toamasina ny tenany amin'izao fotoana izao. Hihaona amin'ireo vahoaka any amin'ny faritra atsinanan'ny Nosy ny tenany, hanatanteraka fanentanana ny amin'ny andehanan'izy ireo mifidy amin'ny volana novambra ho avy izao. Tsy adino ny fihainoana ny hetahetan'ny vahoaka.
Tafiditra ao anatin'ny anton-dian'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana any Toamasina ihany koa ny fanatrehana ny fankalazana ny faha-55 taonan'ny FJKM.

Lire la suite

Articles Similaires