• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Midimadagasikara
Image
Vaovao

Bac 2023 Antananarivo : Mitokona ireo Correcteurs

17/08/2023 15:10 © Moov.Mg

Kely ny finoan'ireo mpanala fanadinana ny amin'ny ivoahan'ny valim-panadinana amin'ity faran'ny herinandro ity. Izao tolakandro izao, mbola tsy tanteraka ny "délibération" noho ny tsy famoahana ny volan'ireo mpampianatra mpitsara.

Ny "délibération" no anapahana ny salan'isa "moyenne" farany ambany ahafahan'ny mpianatra bakalorea : 9,50/20, 9,75/20 na 10/20. Raha tokony ho androany 17 aogositra no nanatanterahana izany, mbola fitokonana indray no misy eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo. Tsy misy filazana mazava mantsy ny mikasika ny tambin-karaman'ireo mpampianatra mpitsara. Nanantena ny hahita peta-drindrina momba ny fandraisam-bola (vacation) izy ireo, toy ny isan-taona. Tsy nisy nefa izany ka nanapa-kevitra izy ireo fa hanatanteraka izao fitokonana izao.
Miankina amin'ny foibem-panadinana misahana ny fanadinam-panjakana sy ny ofisin'ny bakalorea araka izany ny fotoana amoahana ny vokatra. Raha tsy tanteraka mantsy ny "délibération" dia tsy misy valim-panadinana azo avoaka. Tsy azo adinoina fa mbola mila fotoana ny fandaminana ny famoahana ny lisitr'ireo afa-panadinana.
Andrasana araka izany ny fivoaran'ny toe-draharaha. Etsy ankilany, manao antso avo amin'ny fitondram-panjakana sy ny ministera mpiahy ireo mpampianatra sy mpianatra mba hijery manokana ny tontolon'ny fampianarana ambony.

Lire la suite

Articles Similaires