• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Halatra moto : Pasitera no anisan’ireo tompon’antoka

17/08/2023 11:20 © Moov.Mg

Trangana fangalarana tsy mahazatra indray no saron’ny zandary. Pasitera mpitarika fiangonana zandriny no voasaringotra tamin’ny resaka halatra moto.

Anisan’ireo nandray anjara tamin’ny halatra ny pasitera iray

Raha hiverenana ny tantara dia ny zoma 07 hifoha 08 jiona teo no nitrangana fahaverezana moto iray tao Ampanotokana Tana Ville. Avy hatrany dia nametraka fitarainana teny anivon’ny zandarimaria Soamanandrariny ilay olona niharan’ny halatra moto. Nanomboka teo ary dia niroso tamin’ny fikarohana sy ny fanadihadiana maro isan-karazany ny avy eo anivon’ny zandary.
Ny 03 Aogositra lasa teo dia tsikaritra nisera io moto halatra tamin’ny tambazotran-tserasera ny lehilahy iray. Araka ny fikarohana natao dia fantatra fa Pasitera iray avy amin’ny fiangonana zandriny any amin’ny làlam-pirenea voalohany iny ity mpisera ity. Ankoatra io fivarotana entana halatra io dia nitonona ho polisy any Arivonimamo ity Pasitera ity, izay tsindrina fa lainga, hoy ny avy eo amin’ny amin’ny zandarimaria.

Napetraka ny vela-pandrika

Taorian’ny fifanakalozana teo amin’ity mpisera ity sy ny olona iray lina tamin’ilay moto tao amin’ny Facebook, dia nahatsikaritra ity farany fa novaina ny nomeraon’ilay moto. Nanomboka teo dia tsy tratra antso ilay pasitera. Tsy nandeha ilay kaonty niresahany tamin’ny Facebook. Mailo ity olona nahazo entana halatra ka avy dia nampandre ny zandary.
Napetraka ny vela-pandrika. Nandritra ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa pasitera ity nisera ilay moto halatra tamin’ny Facebook ity. Hita tao aminy ilay moto natakalo ary efa nahavitana lazam-bidy hafa. Notondroin’ity Pasitera ihany koa ireo namany niaraka nisera taminy.

Tovolahy roa hafa no voasamboatra

Ankoatra ity pasitera izay nisera mivantana ilay moto halatra tamin’ny Facebook dia lehilahy roa hafa, izay notondroiny ihany koa no voasamboatra. Samy monina ao Anosizato Atsinanana ireto tovolahy roa ireto. Ny iray tamin’ireo dia olona efa voasambotry ny CB Ambohimangakely tany Behenjy tamin’izy mbola Chef de poste, ary efa nanova anarana izy taty aoriana.
Hita tany amin’ireto olona tompon’antoka tamin’ity halatra moto sy fanakalozana moto ity ny lazam-bidy efa misy fitomboka sy sonia. Miandry ho fenoina sisa ireo antontan-taratasy ireo. Taorian’ny fisamborana sy ny fanadihadiana dia naverina tamin’ny tompony ilay moto very tany amboalohany. Ho atolotra ny fitsarana ihany koa ireto telo lahy tomon’antoka amin’ny fangalarana ireto.

Lire la suite

Articles Similaires