• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prioriterre
Image
Vaovao

Mandroseza I : Ho tapaka mandritra ny ora telo ny rano

17/08/2023 09:45 © Moov.Mg

Mitohy hatrany ny fanamboarana ireo karazana fantsona simba izay tanterahan’ny teknisiana avy eo amin’ny Jirama. Anisan’izany ny fanarenana sy ny fanamboarana ny fantsona iray mitondra rano ao Mandroseza I.

Fanamboarana ny simba

Araka ny fampahafantarana izay nataon’ny teo anivon’ny Jirama anio maraina dia hiroso amin’ny fanamboarana ny simba amin’ny fantsona ilaina amin’ny famatsiana rano iray ao Mandroseza I ireo teknisianina. Fantatra fa ilay groupe Electropompe lehibe io ahitana fahasimbana io, koa tsy maintsy amboarina faran’izay maika.
Mandritra izany asa fanamboarana izay tsimaintsy hirosoana izany anefa dia tsara ny manamarika fa hisy ny fikorontanana amin’ny resaka famatsian-drano. Mety haharitra ora telo ny fanamboarana araka ny vinavina koa tsimaintsy ho tapahana ny famatsiana mandritra io fotoana io, mba hahafahana misoroka izay mety ho fahavoazana sy loza.

Faritra maro no ho voakasiky ny fahatapahana

Faritra maro izay vatsian’io groupe électropompe lehibe ao Mandroseza I io, noho izany no hitsahatra mandritra ny ora telo eo ny fisitrahana rano. Ireto avy ary ireo faritra voakasik’izany :
𝗭𝗼𝗻𝗲 𝗰𝗲𝗻𝘁𝗿𝗲 : Mandrosoa, Ambohijatovo, Faravohitra, Ambatonakanga, Ambohitsirohotra, Antaninarenina, Ambatovinaky, Ambohidahy, Amparibe, Tsimialonjafy, Manjakaray, Amboditsiry, Tsiadana, Andohamandry, Fort-voyron, Mahamasina, Befelatanana, Campus, Ambolokandrina , Ankatso , Cité Ambohipo, Ampandrana, Ankadivato.
𝗭𝗼𝗻𝗲 𝗦𝘂𝗱 :Mahabo, Ambohijanaka, Imerimanjaka, Ankaraobato, Ankadilalampotsy, Tongarivo , Ankadiefajoro, Morarano, Mahalavolona.
𝗭𝗼𝗻𝗲 𝗘𝘀𝘁 : Fort-Duchesne, Ampandrianomby, Ampanotokana, Andraisoro, Antsahameva

Fahanteran’ny fitaovana

Maro tato ato ireo fitaovana mpanodina herinaratra sy mpanosika rano nahitana fahasimbana. Anisany antony iray mahatonga izany ny fahanteran’ireo fitaovana ireo, araka ny nambaran’ny Jirama hatrany, koa miteraka ireo karazana fahatapahana ireo. Resahana ao anatin’ireo antony mitarika ny fahatapahan’ny famatsiana rano sy jiro ihany koa ny hain-tany amin’izao fotoanan’ny ririnina izao.
Etsy an-dàniny dia mbola mitohy ny fahatapahan-jiro mifandimby, na délestage, eto amin’ny Tambazotra iraisan’Antananarivo (RIA). Tsy eto amin’ny renivohitr’i Madagasikara ihany anefa no ahitana io fahatapahana io fa anisan’ireo miaina ao anatin’izany ihany koa ny any amin’ny faritra. Anisan’izany ohatra i Sambava, izay mety haharitra hatramin’ny 12 ora isan'andro ny fahatapahana.

Lire la suite

Articles Similaires