• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mdn
Image
Vaovao

Jeneraly Rakotoarijaona Josoa : Mifandraika amin’ny fandriamphalemana ny fahadiovana

17/08/2023 08:56 © Midi Madagasikara

Ny Alatsinainy lasa teo no nanantateraka asa tangnamaro ho fanadiovana ny hôpitaly miaramila eny Soavinandriana ny avy amin’ny Tafika Malagasy.

Nitarika izany teny an-toerana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotoarijaona Josoa sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy ary lehiben’ny Etamazaoro telo misy eo anivon’ny Tafika. Nandritra izany no nanambaran’Andriamatoa minisitra fa isan’ny zava-dehibe tokoa izao hetsika izao satria tena milaizany ity hôpitaly miaramila ity, voalohany indrindra ary koa mba ho fanatanterahana ny velirano faha-4 sy faha-5 ny Filoham-pirenena dia ny Fahadiovana sy ny Fahasalamana. Beazina ny olona hahay hanadio sy hiara-hiasa mba hisian’ny fiaraha-monina mirindra tsara.

Nambarany fa ny fadiovana dia mianga amin’ny isam-batan’olona, ny trano honenana ary raha hitarina izany dia tonga hatrany amin’ny Firenena manontolo. Efa tokony ho haintsika hatrany an-tsekoly raha mbola garabola akory izany, hoy ihany izy, ka tsy tokony hifampitenenana intsony. “Tsy mila vola izany fa ny toe-tsaina no ilaina”. Nomarihiny ary fa Izany rehetra izany dia mifandraika tanteraka amin’ny andraikitry ny mpitandro ny filaminana, dia ny polisy, ny zandary ary ny tafika, hoy ihany izy raha nilaza ny antony nanaovana izao hetsika izao. Notsindriany fa rehefa madio ny toerana misy anao, ny tenanao, ny zavatra manodidina antsika dia misy ny fahafinaretan’ny saina. Rehefa milamina ny saina dia tsy voatarika hanao ny zavatra tsy mety eo amin’ny fiaraha-monina ka ho tonga amin’ilay antsoina hoe tsy mahataho-tody no hiafarany.

Manoloana izany dia manainga ny rehetra ny Minisitry ny Fiaravom-pirenena mba samy handray ny andraikitra manadrify azy, idrindra ho fitandroana ny toerana toy ity hôpitaly miaramila ity mba ho fikajiana ny zavatra tsara toy itony. Nanamafy izany ny tale jeneralin’ity hôpitaly ity, ny Jeneraly Ratondrainy Willy ka nilaza fa ny ety ivelany no voakasik’izao asa-tagnamaro izao. Zava-dehibe izao hoy ity tompon’andraikitra ity satria ny fahadiovana dia ilaina tokoa iarovana amin’ny fiparitahan’ny otrik’aretina ho an’ireo marefo sy ireo olona hodidiana. Nambarany fa efa manao izany ihany koa ny eny anivon’ireo sampandraharaha rehetra misy eo anivon’ity hôpitaly ity raha ny ao anatiny no lazaina. Koa manainga ireo marary na ny mpito,dra marary ny tenany mba samy handray ny andraikiny mba hitandroana izany fahadiovana izany.

Lire la suite

Articles Similaires