• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

17 Aogositra 2023 : Fihaonana fahatelo eo amin'ny Papa Ray Masina François sy Andry Rajoelina

16/08/2023 23:00 © Moov.Mg

Hihaona amin'ny Papa Ray Masina François Premier ao Vatican ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.

17 Aogositra 2023. Daty efa nandrasana fatratra herinandro vitsivitsy izay. Fotoana miavaka fahatelo izay hihaonan'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina amin'ny Papa François. Nanamafy ny avy ao anivon'ny fiadidiana ny Repoblika fa tsy hisy fiovana intsony ny fandaharam-potoana.

Fanamafisana fiaraha-miasa

Amin'ny maha-firenena an'i Vatican, anisan'ny antony izao fihaonana izao ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny firenena malagasy. Izany no atao dia anamafisana ireo asa anasoavana vahoaka. Araka ny foto-kevitra ijoroan'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina dia vahoaka iray ihany ny vahoaka malagasy izay sahanin’ny Fiangonana Katolika sy sahanin’ny Fitondram-panjakana.

Fangatahan-tso-drano

Heverin'ny maro fa hangataka tso-drano amin'ny Fiangonana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny amin'ny hilatsahany indray amin'ny fifidianana ho avy io. Na mbola tsy nisy aza mantsy ny fanambarana ofisialy, azo lazaina fa miomana tanteraka amin'ny filatsahana ho fidiana indray ny filoha ankehitriny. Andrasana araka izany ny akon'ny fihaonana eo amin'ny roa tonta.

Namaranan'ny Fiadidiana ny Repoblika ny fanambarana ofisialy moa ny hanatanterahan'ny filoham-pirenena Fiketrahana Masina, mba hitondrana am-bavaka an'i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy.


Copyright Image : © PRM

Lire la suite

Articles Similaires