• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Msk
Image
Vaovao

Nirhy Lanto, Poeta : Feno 100 taona ny nahaterahany

16/08/2023 22:32 © Moov.Mg

"Foly landy tohizan-drofia" tao amin'ny gazety an-tsoratra "Malagasy" : io sangan'asa miavaka io no tena nahafantarana an'i Rakotonindrina Charles Victor na Nirhy Lanto. Nijoro tamin'ny foto-kevitra hoe « HO AN’NY TENIN-DRAZANA » io mpanoratra io.

Ankalazaina amin'ity taona ity ny faha-100 taona nahaterahan'i Nirhy Lanto, sady mpanoratra no poeta no mpanao gazety. "HO AN'NY TANINDRAZANA, HO AN'NY TENINDRAZANA" no lohahevitra nampitondrain'ny taranany an' ity hetsika fankalazana ity. Mpanoratra nijoro sy nandala ny maha-Malagasy mantsy i Nirhy Lanto ary nasehony amin’ny asa sorany ny lafitsaram-piainana, ny tontolon’ny finoana, ny hakanton’ny Tanindrazana sy izay mifamatotra amin’izany.

Fampirantiana sy fifaninanana

Hetsika maro no karakaraina ao anatin'izao fankalazana izao. Misy ny fampirantiana ny tontolon'ny asa soratra sy ny fiainan'i Nihry Lanto eny amin'ny Trano Sary Ambohidahy. Ankoatr'izay, misokatra ny fifaninanana asa soratra amboaran-drindrambolana, izay ahazoana loka goavana. Azon'ny rehetra atao ny mandray anjara, indrindra moa ireo teratany Malagasy. Tsara ny manamarika fa mpifaninana tokana fa tsy vondrona no mandray anjara.

Ny sabotsy 29 jolay amin’ ny 12 ora atoandro ho avy izao ny fara-fandraisana ny asa soratra. Ny alakamisy 28 septambra kosa vao ho fantratra ireo mpandresy.


Copyright Image : © MSK

Lire la suite

Articles Similaires