Analanjirofo : Miofana ireo mpampianatra taranja siantifika
Tanjon'ny fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombon'antoka ny fanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana eto Madagasikara. Izany indrindra no anomezana fampiofanana maimaimpoana ireo mpanabe.
Misitraka fampiofanana ireo mpampianatra mitazona taranja siantifika ao amin'ny foibem-pitondram-paritry ny fanabeazam-pirenena Analanjirofo. Izany moa dia tafiditra ao anatin’ny vinavinan’asa "Back To School and Learning" (BTSL) vatsian’ny « UNICEF » vola. Ireo mpampianatra taranja siantifika eny anivon’ny sekoly ambaratonga faharoa ao anatin’ny fari-piadidiam-pampianarana miisa telo ao amin’ny foibem-pitondram-paritry ny fanabeazam-pirenena Analanjirofo no voakasik'izany hestika izany.
Nanomboka ny alatsinainy 14 aogositra 2023 ny fampiofanana ary haharitra 05 andro no hanatanterahana izany any an-toerana. Ny Talem-paritry ny fanabeazana any an-toerana sy ny Lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana Fenoarivo Atsinanana no nanokatra ny fotoana tamin’ny fomba ofisialy, omaly maraina.
Marihana fa ho fampiakarana ny fari-pahaizan’ireo mpianatra amin’ny taranja siantifika no antony sy tanjona hanatanterahana ity fampiofanana mpampianatra ity.