• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Actus Mada
Image
Vaovao

Afon'ny Lalaon'ny Nosy 2023 : Tongasoa eto Madagasikara

12/08/2023 19:26 © Moov.Mg

Noraisina tamin'ny fomba manetriketrika izao hariva izao tao amin'ny seranam-piaramanidina tao Antsiranana ny Afon'ny Lalaon'ny Nosy 2023 na "Flamme des Jeux des Iles de l'Océan Indien 2023".

Ny nosy Maorisy izay nampiantrano ny JIOI farany no nandefa ny Afon'ny Lalaon'ny Nosy taty Madagasikara, amin'izao andro faha-13 mialohan'ny lalao izao. Notsenaina tao amin'ny aéroport Arrachart Antsiranana moa izany ka nanaovana lanonana tao amin'ny Stade Manarapenitra Diego. I Sidonie Fiadanantsoa, nahazo medaly volamena tamin'ny taranja hazakazaka tamin'ny lalaon'ny Frankofonia, no nitondra ny afo namakivaky ny kianja.
Hitety ireo renivohi-paritany eto Madagasikara izany afon'ny lalaon'ny Nosy izany. Hetsika maro no iaraha-mientan'ireo tompon'andraikitra isan'ambaratongany, ahafahan'ny Malagasy rehetra miaina ny rivo-pankalazana entin'ity lalaon'ny nosy andiany faha-11 ity.
Toy izao ary ny fandaharam-potoana :
Antsiranana : 12 Aogositra
Mahajanga : 13 Aogositra
Toliara : 18 Aogositra
Fianarantsoa : 19 Aogositra
Toamasina : 20 Aogositra
Antananarivo : 23 Aogositra

Tsara fiomanana

Mizotra tsara ny fanomanana ny fandraisana ny lalaon'ny nosy 2023 eto Madagasikara. Na dia eo aza ireo sakantsakana maro sy ireo fanakiviana, mitady vahaolana hatrany ireo tompon'andraikitra rehefa misy olana. Hatreto aloha, milamina ny fandraisana ireo vahiny ho avy eto amin'ny firenena, dia ireo mpilalao sy mpanazatra ary tompon'andraikitra isan-tsokajiny. Raha eo amin'ny fiomanan'ny federasiona tsirairay kosa, azo lazaina fa lavorary izany. Efa vonona avokoa ireo mpilalao hifanandrina. Tsy latsa-danja ny fanohanana azo, toy ny fanampiana ara-bola, ara-pitaovana sy ara-pahasalamana. Samy nahazo tohana avokoa ireo mpikatroka amin'ny taranja rehetra.
Raha ny eto Antananarivo manokana, efa tazana eny an-dalambe rehetra eny ireo famantarana ny amin'ny handraisana ny lalao.

Volet Jeunesse

Etsy an-kilan’ireo taranja ara-panatanjahantena dia misy ihany koa ny atao hoe « Volet jeunesse » na « Camp des Jeunes » ho an’ireo tanora 14 taona hatramin’ny 25 taona mandritra ny Lalaon’ny Nosy 2023.
Ny tanjona dia ny fanamafisana ny fifandraisan’ireo tanora avy amin’ireo Nosy mpirahavavy amin’ny alalan’ny fifanakalozana ara-kolontsaina sy artistika. Fotoana ihany koa hahafahana mampiseo ny mampiavaka ny kolontsain’ireo firenena tsirairay avy amin’ireo mpandray anjara, fa indrindra i Madagasikara izay manankarena zava-boary sy tanora. Tsy fifaninanana ny « Volet Jeunesse » fa fampihavanana ireo tanora.

"Fandresena ao anatin'ny firaisan-kina sy ny fahasamihafana"


Copyright Image : © Actus Mada

Lire la suite

Articles Similaires