• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Commune Urbaine Toamasina
Image
Vaovao

Toamasina : Tovolahy roa natelin'ny ranomasina tao Tahity Kely

12/08/2023 10:01 © Moov.Mg

Ny marainan'ny Asabotsy 12 aogositra no hita ny vatana mangatsiakan'ny iray tamin'izy roalahy, dia i Pacifique izany. Ilay tovolahy faharoa kosa, i Grâce, dia mbola karohina hatreto.

Tovolahy 16 taona Ratolojanahary Achille Grâce 1ère année en Droit sy Rakotozafy John Pacifique 2ème en Économie (21 taona) no lasan' ny ranomasina raha nilalao rano teny amin'ny Bord Pangalane ny folakandron'ny zoma 11 aogositra. Samy mpianatry ny Oniversite Barikadimy ary avy any Ambanja ny izy mirahalahy ireto. Natao androany maraina ny fombafomba rehetra, toy ny famonoana omby mba hanafainganana ny fahitana ny razana.

Nifarimbona efa hatramin'ny alina ny mpamonjy voina ; ary nantsoina koa i Lalaina zanadrano izay manana fahaizana manokana amin'ny fanavotana olona lasan-drano. Ny sambo SPAT no nanao ny fikarohana tany anaty rano. Nametraka olona mpanara-maso ny antanety ny kaominina ambonivohitra Toamasina sy ny fikambanana FITEFA. Manotrona ny fikarohana azy ireo ny ben'ny tanànan'i Toamasina sy ny filohan'ny Oniversiten'i Toamasina.

Lire la suite

Articles Similaires