• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Ady lova : Mpirahalahy nifamono ho faty

12/08/2023 08:44 © Midi Madagasikara

Samy naka angadin’omby ary nifamono. Ny iray namoy ny ainy na noezahina nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana aza. Ny faharoa kosa miady mafy amin’ny fahafatesana.

Efa nisy mamon’ny toaka ny iray tamin’izy ireo ary nanamora ny fiakaran’ny afo izany. Ny mpiray monina tao Marotsipoy (Befandriana-Avaratra) no nampandre ny zandary. Natao ny fidinana teny an-toerana ary olona efa tsy mahatsiaro tena ny iray ary ny faharoa kosa naratra mafy teo amin’ny lohany. Samy voatsatoky ny angady ireo ary ny iray no maty. Rehefa nandeha ny fanadihadiana savaranonando dia fantatra fa ady lova no nifamonoan’izy mirahalahy. Koa satria mbola marary mafy ilay mbola velona dia miandry azy hivoaka ny toeram-pitsaboana izay afaka atao ny fakàna am-bavany azy.

Ny azo antoka dia efa miantomboka amin’ny vonoan’olona (mety ho niniana na tsia) ny vesatra ara-pitsaràna miandry azy voalohany. Nataon’ny manam-pahefana ny fizahàna ny razana ary nalain’ny fianakaviany avy eo. Ilay iray mbola maratra koa dia ambenan’ny zandary andro aman’alina mandram-pivoakany tao ka hanolorana azy ny fampanoavana rehefa vita ny fakàna am-bavany.

Lire la suite

Articles Similaires