• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mae
Image
Vaovao

Japon : 9,4 miliara ariary ho an’i Madagasikara

11/08/2023 18:17 © Moov.Mg

Tontosa anio 11 Aogositra tetsy amin’ny biraon’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny firenena Japoney sy Malagasy.

Fiaraha-miasa miompana amin’ny tohana ara-bola amin’ny sehatra roa lehibe, dia ny fahasalamana sy ny sakafo no natao sonia anio.

Fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana

Zo fototra ananan’ny olombelona tsirairay avy ny ho salama sy hisitraka tolotra ara-pahasalamana manaraka ny fenitra. Anisan’ireo fifanaraham-piarahamiasa nosoniavina anio teo amin’ny firenena Japoney sy Malagasy anio ny fampiroboroboana izany sehatra izany. Hisy, araka izany, ny tetikasa fanatsarana ny fitaovana ampiasaina eny anivon’ireo hopitalim-panjakana hita eny anivon’ny faritra na ny CHRR.
Tapaka ao anatin’io fifanaraham-piarahamiasa io fa hanolotra tohana ara-bola mitentina 300 tapitrisa yens, na 9,4 miliara ariary ho an’i Madagasikara ny firenena Japoney. Tanjona amin’izany ny hanatsarana ireo hopitalim-panjakana sy ny fanatsarana ireo fitaovana ampiasaina. Andrasana amin’io fiaraha-miasa io ny hanatsarana ny tolotra omena ara-pahasalamana atolotra ny vahoaka.

Fanohanana ara-tsakafo

Nosoniavina androany teny Anosy ihany koa ny fanohanana ny drafitrasa mifototra amin’ny fanohanana ara-tsakafo. Vola mitentina 1,143 miliara yens, na 36 miliara ariary no hatolotry ny fanjakana Japoney an’i Madagasikara mba hiadiana amin’ny tsy fanjarin-tsakafo izay mbola mamatotra vahoaka malagasy aman’aliny. Hampiasaina amin’ny fantsarana ny fomba entina mamatsy sakafo feno otrik’aina ho an’ireo vahoaka marefo io teti-bola izay voarakitra ao anatin’ny fifanaraham-piarahamiasa io.
Samy nanaiky ny roa tonta fa zava-dehibe ho an’ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo aminy ny fisian’izao fifanaraham-piarahamiasa izao. Tanjona amin’izao ny hanohanana ny fampandrosoana ny firenena Malagasy, izay mifototra betsaka amin’ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana sy amin’ny fanomezana sakafo ara-pahasalamana ny vahoaka sahirana izay tena mila izany.

Lire la suite

Articles Similaires