• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Compagnie De Gendarmerie Imerina Centrale
Image
Vaovao

Andramasina : Tra-tehaka ireo mpamaky trano sady mpanolana

10/08/2023 21:45 © Moov.Mg

Voasambotra ny tambazotran-jiolahy tompon'antoka tamin'ny fanafihana fanafihana mitam-piadiana tamina toerana telo mifanakaiky tao Andramasina, dia Ambohijafy, Ankitsabe ary Ampanoro, ny alin'ny 03 hifoha 04 aogositra 2023 lasa teo

Fangalarana sy fanolanana

Jiolahy miisa 7, nitondra basim-borona, baramina ary antsibe no nanao ny fanafihana ka fitaovana maro no lasan'izy ireo toy ny solosaina, fahitalavitra, fanamafisam-peo maro samihafa, kavina volafotsy, sy ny sisa. Noraofin'izy ireo ihany koa ny finday rehetra ka nampananosarotra ny fampandrenesan'ireo niharam-boina ny Zandary.
Nisy iray tamin'ireo voatafika no mpitantana "cash point" ka noteren'ireo jiolahy handefa vola mitentina 2 tapitrisa ariary tamin'ny "mobile money".
Nisy vehivavy iray naolan'ireo tsy mataho-tody ihany koa nandritra ny fanafihana.

Jiolahy sy jiovavy 9 voasambotra

Nandray andraikitra avy hatrany ireo zandary avy eo anivon'ny Compagnie Imerina Centrale. Vokany, 9 ireo mpanao ratsy tratra. Misy amin'izy ireo no tena nandray anjara mivantana tamin'ny fanafihana, ao koa ireo mpiray tsikombakomba sy mpandray ireo entana halatra teto Antananarivo.
Tafaverina tamin'ny tompony araka izany ny ampahany maro tamin'ireo entana very. Tsy adino ny manamarika fa nahatratraranrongony teo ho eo amin'ny 700 grama nandritra ny fisavana ny tranon'ireo olon-dratsy teny Ankadimbahoaka sy Tanjombato, Antananarivo.

Lire la suite

Articles Similaires