• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Kianja Elgeco Plus - Baolina Kitra : Vonona handray ny lalaon'ny Nosy

10/08/2023 21:17 © Moov.Mg

Tafiditra amin'ny vanim-potoana fanomanana ny lalaon'ny Nosy 2023 i Madagasikara. Efa roa herinandro mantsy sisa dia hanomboka ny lalao. Androany 10 aogositra no nanokanana ny Kianja Elgeco Plus izay nohavaozina.

Ny filoham-pirenena Andry Rajoelina no nitarika ny fanokanana ny asa fanamboarana ny "tribune centrale" vaovao natsangana. Ny Kianjan'ny Elgeco Plus By pass moa no kianja faharoa handray ny fifaninana taranja baolina kitra, ankoatra ny Kianja Barea Mahamasina, mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11 izay ho tanterahina eto Madagasikara.

Kianja manarapenitra

Manaraka ny fenitra hahafahany mandray lalao iraisam-pirenena araka izany ity kianja Elgeco Plus ity, izay mahazaka mpijery hatramin’ny 4750 , ahitana efitra fandraisana ireo vahiny sy ireo mpilalao (loges, vestiaires), efitra fijerena sary mihetsika mba hahafahan'ireo mpilalao mamerina mijery ireo lalao sy miala voly ary koa nametrahana "escalator" sy "ascenseur" mba hahafahana mampiditra sy mamoaka ny olona ao anatin’ny fotoana fohy.
Niarahaba manokana ny Filohan'ny Elgeco Plus nahavita ity fotodrafitrasa lehibe ity moa ny Filoha Andry Rajoelina, izay nambarany fa tsy ho an'ny klioba irery ihany fa ho an'ireo mpankafy ny baolina kitra rehetra.

"Hambom-pom-pirenena, fitiavan-tanindrazana, firaisan-kina, izany no mila asehoantsika ao anatin'izany fandraisana ny Lalaon'ny Nosy izany ary dingana iray no nampisehoan'ny Elgeco Plus amin'ny fandraisana izany fifaninanana izany satria rehefa voninahi-pirenena no resahana dia mila mifanome tanana ny tsirairay avy" hoy ny Filoha Andry Rajoelina


Copyright Image : © PRM

Lire la suite

Articles Similaires