• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Madagascar_Tourisme
Image
Vaovao

Jono : Hamafisina ny fanarahamaso ny fari-dranomasina Malagasy

10/08/2023 20:29 © Moov.Mg

Tapaka nandritra ny filan-kevitry ny ministra omaly 09 Aogositra, fa hamafisina ny fanarahamaso ny fari-dranomasin’i Madagasikara.

Toerana ara-jeografika

Anisan’ny olana iray lehibe mbola tsy mampandroso ny sehatry ny jono eto Madagasikara ny fisian’ny jono an-tsokosoko sy tsy ara-dalàna. Manana toerana ara-jeografika stratejika tokoa manko isika eo anelanelan’ny làlana an-dranomasina roa lehibe.
Raha ny fari-dranomasina malagasy no jerena dia sambo mpanjono manodidina ny 500 ka hatramin’ny 700 no mandalo ao isan’andro. Manoloana ny olana mahakasika io jono an-tsokosoko sy tsy ara-dalàna io dia nanapa-kevitra ny hiara-hiasa amin’ny hametraka fifanaraham-piarahamiasa amina fikambanana iraisiam-pirenena ny fanjakana. Tapaka nandritra ny filan-kevitry ny ministra omaly ary fa ho dinihina ny fiara-hiasa amin’nny Sea Sheperd na ny Berger de la Mer ny fanjakana.

1 141 000 km no haraha-maso

Fari-dranomasina mirefy 1 141 000 km no ho harahamaso miaraka amin’ny Sea Sheperd manomboka izao. Nanome toro-marika ny hanafainganana ny fandinihina io tolo-kevitra mirakitra ny fifanaraham-piarahamiasa io ny filoha Andry Rajoelina. Aorian’ny fandinihana ny tolo-kevitra dia hiroso amin’ny fanomezana alàlana amin’ny fanasoniavana io fifanaraham-piarahamiasa io indray ny filan-kevitry ny ministra.
Ao anatin’izany fifaranarahana izany dia hanome sambo hampiasaina amin’ny fanarahamaso sy ny solika hampiodinana izany ny fikambanana Sea Sheperd. Ny Tafika an-dranomasina alagasy sy ny « inspecteurs de pêche » kosa no hanatanteraka ny fanaraha-maso. Hisy ihany koa ny fampiofanana ireo teknisiana hiasa ao anatin’izany fifanaraham-piarahamiasa izany, izay ny « Yamatec Ltd » no hanome azy.
« Ny vola rehetra azo amin’ny sazy homena ireo sambo tratra manao jono tsy ara-dàlana amin’ny fari-dranomasina malagasy dia hirotsaka amin’ny kitapom-bolam-panjakana » araka ny tolo-kevitra naroso tamin’ny filan-kevitry ny ministra hatrany.

Lire la suite

Articles Similaires