• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cnaps.Jpg
Image
Vaovao

CNaPS : Miroso amin'ny fitadiavana vahaolana

10/08/2023 20:25 © Moov.Mg

Io hariva io dia efa nanambara ny CNaPS fa efa miverina misokatra amin’ny ora mahazatra avokoa ny masoivoho rehetra manerana ny Nosy.

An-dàlam-pivoarana ny raharaha mahakasika ny savorovoro misy eo amin’ny mpiasan’ny CNaPS. Nisy ny fifampiresahana teo amin’ny mpiasa sy ny tompon’andraikitra vaovao anio alakamisy 10 Aogositra.

Nesorina ny sora-baventy

Natomboka tamin’ny fanesorana ireo sora-baventy hita miranty eo amin’ny tambohon’ny biraon’ny CNaPS ny fifampitokisana eo amin’ny mpitantana vaovao sy ny mpiasa anio. Taorian’ny savorovoro nisy teo ami’ny fitantànana ity tahirim-pirenena ity tokoa manko dia nanapa-kevitra ny hiroso tamin’ny fitokonana ireo mpiasa ao aminy.
Manoloana izany olana izany, dia nangataka ny hihaona tamin’ireo mpiasa ny tale jeneraly vaovaon’ny CNaPS, Vimbina Rahaingojatovo. Anio ary no notanterahana izany firesahana teo amin’ny roa tonta izany, mba hamerenana indray ny fifampitokisana eo amin’ny mpiasa sy ny tompon’andraikitra. Taorian’ny fihaonana dia niroso tamin’ny fanesorana ireo sora-baventy mampiseho ny tsy fankasitrahan’izy ireo ny zava-misy ny mpiasa.

Fisokafana miandalana

Dingana iray lehibe iny tontosa anio iny. Azo lazaina ho mivaha tsikelikely ny olana eo amin’ireo mpiasa noho izany. Mbola mitohy kosa anefa ny ezaka sy ny fifampiresahana mba hahafana mitady vahaolana maharitra eo amin’ny roa tonta.
Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon’ny Tale jeneraly vaovan’ny CNaPS dia nilaza ity farany fa saro-piaro tamin’ny zay zavatra mety hitranga eo amin’ny toera-piasany ireo mpiasa, ary izany no anton’izany fitokonana izany. Rehefa natao kosa anefa ny fifampiresahana dia hita fa mitovy tanjona ihany ny roa tonta. Hiezaka hanao izay azo atao hanatanteraka io tanjona iraisana io ihany koa ny tale jeneraly vaovao, araka ny nambarany.
Hisy noho izany ny fametrahana ny mangarahara eo anivon’ny CNaPS mba hampirindra ny asa, fa ihany koa mba hampiverenana ny fahatokisan’ny mpiasa ao sy ny fahatokisan’ireo mpandrotsaka latsakemboka.

Lire la suite

Articles Similaires