• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Adn_Telma
Image
Vaovao

Festival Wakawaka : Fanomezana ho an’ny reny sy ny zaza vao teraka

09/08/2023 20:23 © Moov.Mg

Tonga nitsidika sy nanolotra fanomezana ho an’ny reny vao tera-bao sy ny zaza vao teraka ireo mpikarakara ny Festival Wakawaka, iray andro mialohan’ny hanombohan’ny lanonana.

Fanomezana

Rahampitso Alakamasy 10 Aogositra 2023 no hanomboka amin’ny fomba ofisialy ny adian’ny faharoa amin’ny hetsika Festival Wakawaka. Hisy ny dia-be ho fanamarinana izany. Fa mialohan’ny tena hiatombohan’ny lanonana dia tonga nitsidika sy nitondra fanomezana ho an’ireo reny sy zaza vao teraka teo anivon’ny CSB II Sambava sy ny CHRR Besopaka Sambava ireo mpikarakara ity hetsika kolotoraly ity.
« Serviettes hygiéniques » sy « couches » marika Softex ho an’ny zaza vao teraka sy latsaky ny roa volana miisa 720 no natolotra tamin’izany. Zava-dehibe ho an’ireo mpikarakara ny fanampiana ireo reny sy ny zaza amin’ny resaka fahadiovana, satria antoky ny fahasalamana izany, hoy ny avy eo amin’ny orinasa Softex.

Hetsika sosialy

Ankoatra ny fandrosoana ara-pizahantany sy ara-toekarena entin’ny Festival Wakawaka izay tanterahana any Sambava dia zava-dehibe ho an’ireo mpikarakara ihany koa ny fanomezan-danja ireo hetsika sosialy.
Aorian’izao hetsika izao manko dia manana vina ny hanangana hopitaly fiterahana na « maternité » ho an’ny tanànan’i Sambava ireo mpiara-miombon’antoka isan-karazany. Nitarika ary nanome voninahitra ny fotoana androany, izay niompana tamin’ny hetsika ara-tsosialy noho izany ny ben’ny tanànan’ny Kaominina Renivohitra Sambava, Judicael Ramangalaza, ny Shelby Production izay mpikarakara ny Festival Wakawaka, ny Softex, ary ny Telma Madagascar izay samy mpanohana ny hetsika.
Mandritra ny efatra andro, izay haharetan’ny Festival, dia andrasana ho tonga maro ny vahoakan’ny tanànan’i Sambava, fa indrindra indrindra ireo mpizahatany malagasy sy vahiny.

Lire la suite

Articles Similaires