• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Andry Rajoelina – Rwanda : Fitsidihana isan-karazany

09/08/2023 14:51 © Moov.Mg

Nifarana tamin’ny fitsidihana ny Zone Economique Spéciale (ZES) sy ny Africa Improved Food ao Kigali ny dian’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tany Rwanda.

Naharitra roa andro ny fitsidihana izay nataon’ny delegasiona izay notarihan’i Filoham-pirenena Andry Rajoelina tany Rwanda, ny 07 sy ny 08 Aogositra lasa teo.

Fitsidihana

Taorian’ny atrikasa izay notontosaina ny Alatsinainy 07 aogositra lasa teo, sy ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny firenena roa tonta dia nanatanteraka fitsidihana ny filoha Malagasy Andry Rajoelina, omaly Talata 08 Aogositra. Tafiditra ao anatin’ny fifampizarana traikefa izay ataon’ny firenena roa tonta moa izany fitsidihana izany.
Anisan’ireo toerana notsidihan’i Andry Rajoelina, nandritra ny diany tany Rwanda ny Zone Economique Spéciale (ZES). 378 ha ny velaran-tany misy ity ZES ity, ary ozina sy orinasa miiisa eo amin’ny 150 eo no hita ao anatiny. Hita ao amin’io ZES io ohatra ny Kigali innovation city, izay mifototra amin’ny teknolojia vaovao. Nanampy an’i Rwanda tamin’ny fampiroboroboana ny toekareny ny fisian’io toerana io, izay vokatry ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny mpampiasa vola tsy miankina.

Fampiroboroboana ara-toekarena

Hita nandritra izany fitsidihana izany fa anisany mampiroborobo ny toerkarena ao Rwanda ny fisian’io Kigali Innovation City io. Satria nahafahana nanangana ireo trano, ireo làlana, nahafahana nametraka ny tambazotra herinaratra, fa ihany koa ny internet. Mahatratra 3 miliara dolara ny fampiasam-bola ao anatin’ity ZES ity. Ny fanondranana ny entana vokarina ao amin’ity ZES ity ihany koa dia mitondra 500 tapitrisa dolara isan-taona ho an’i Rwanda.
Mifandraika amin’ny veliranon’i Andry Rajoelina, izay manomena lanja ny fampiboroboroboana ny indostria sy ny fanaovana an’i Madagasikara ho moderina ny tetikasa toa io tanterahana ao Rwanda io. Tafiditra ao anatiny fanatanterahana izany velirano izany ary ny fananganana ZES eto Madagasikara izay atao any Moramanga sy Taolagnaro. Tanjona amin’izany ny hisarihana ireo mpampiasa vola sy ireo mpandraharaha isan-tsokajiny.

Lire la suite

Articles Similaires