• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Marc Ravalomanana
Image
Vaovao

Fanohanana candida : Mijoro ny KMMR Toamasina

09/08/2023 08:10 © Midi Madagasikara

Mihazakazaka ny toe-draharaha politika amin’izao fotoana izao, efa nilaza koa ny filoha nasionalin’ny antoko Tiako I Madagasikara amin’ny fananganana ny komity fanohanana azy; ka tafatsangana ny KMMR na Komity Mpanohana an’I Marc Ravalomanana eto Toamasina vokatra izany.

Efa fantatra ihany koa fa ny 09 novambra izao no anaovana izany fifidianana ho filoham-pirenena fihodinana voalohany. Atoa Randrianaivo Joseph filoha lefitry ny delegasionan’ny faritan’i Toamasina ny taona 2004 – 2005 no mitarika izany ho an’ny faritra atsinanana. Atoa Jean Baptiste kosa no mitarika izany ho an’ny distrikan’i Toamasina I. Vory lanonana tao amin’ny trano fisakafohanana tao Tanambao V ireo mpanangana ny KMMR teto Toamasina. Miantso ireo KMMR teo aloha sy ireo te-hiditra ao anatin’ny fikambanana mba hanantona ny birao hanatevin-draharana izany eto Toamasina, hoy hatrany ireo mpitarikan’ny fikambanana.

Mbola ao anatin’ny fanomanana fahonana ho an’i Marc Ravalomanana izy ireo amin’izao, fa mbola ho avy ny asa goavana miandry azy ireo, ary ho avy ihany koa ny fametrahana ny KMMR isaky ny distrika ho an’ny faritra Atsinanana.

Lire la suite

Articles Similaires