• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Bekily : Zandary iray maty, iray hafa maratra

09/08/2023 08:06 © Midi Madagasikara

Raikitra ny fifanjevoana nandritra ny fanarahan-dia nataon’ny zandary tamin’ny dahalo. Izany dia taorian’ny fisian’ny halatra omby omaly maraina. Tao anaty kizo no nifanehatra ny roa tonta tao Beraketa.

Raha ny fantatra dia zandary roa no voatifitra. Tsy tana ny ain’ny iray ary ny faharoa kosa mbola tsaboina rehefa voan’ny bala tamin’ny tapany ambany, teo amin’ny feny. Omaly ihany dia efa niainga ny mpitandro ny filaminana maro izay hanampy isa hanao sava hao ireo dahalo izay nahafaty zandary ireo. Isan’ny toerana izay tena mampalaina ny mpitandro ny filaminana ny fifindràna ny Bekily, indrindra koa Beraketa noho izy sady lavitra no anjakan’ny asan-dahalo. Isan’ny faritra mena amin’izany hatrany iny faritra iny, ary raha mba misy filaminany kely dia miverina indray ny fanafihana. Miady aman’aina hatrany ny mpitandro ny filaminana any an-toerana satria tsy vitan’ny maro an’isa ny fahavalo fa mbola manana fitaovam-piadiana koa. Ankoatra izany aza dia mbola voafehin’ny dahalo koa ny kizo rehetra.

Matetika aza dia izy ireo indray no mamandrika rehefa misy ny fanarahan-dia. Misy hatramin’ny kiraro avadika ary mizotra any anaty kizo izay fandrika indraindray. Tamin’ity indray mitoraka ity dia omby miisa 56 no lasan’ireo olon-dratsy ary mbola mitohy ny fanarahan-dia mba hisamborana ireo dahalo sy koa hamerenana ny omby amin’ny tompony. Mbola vao adihevitra ankehitriny ny momba ny fanondranana henan’omby. Izao sahady dia efa mamono mahafaty ny dahalo amin’ny fangalarana io biby fiompy io…

Lire la suite

Articles Similaires