• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Vanille_De_Madagascar
Image
Vaovao

Sava : Mitaraina noho ny vidin’ny lavanila ny tantsaha

08/08/2023 13:13 © Moov.Mg

6 000 ariary noho midina monja no sahan’ireo mpividy lavanila hividianana ny lavanila maitso, amin’izao vanim-potoana fisokafan’ny tsena izao ao SAVA.

Vidiny ambany

Milatsaka izay tsy izy ny vidiny hividianan’ny mpanangom-bokatra ny lavanila eny anivon’ireo tantsaha. 6 000 ariary monja isaky ny kilao manko no sahan’ireo mpividy hakana izany eny amin’ireo tantsaha ankehitriny. Ao aza ireo voatery mivarotra izany amin’ny vidiny 2 000 na 3 000 arivary. Kivy, noho izany, ireo tantsaha satria 10% ny vidiny napetrak’izy ireo no hividian’ny mpanangona izany.
Nisokatra omaly Alatsinainy 07 Aogositra 2023 ofisialy tokoa mantsy ny taom-piotazana lavanila maitso ho an’iny faritra SAVA iny. Nahatratra hatrany amin’ny 4 taonina sy 200 kilao teo ny lavanila novarotana teny an-tsena nandritra izany. Ankoatra ny vidiny ambany io dia fantatra ihany koa fa tena mbola vitsy ireo olona tonga nijery ny vokatra sy nividy ireo lavanila maitso vao notazana.

Fanamafisana ny fandriam-pahalemana

Mbola vao 50% ny vokatra ao an-toerana ireo tonga ao an-tsena ao ireo ankehitriny, araka ny nambaran’i Tsarabaria Philbert, ben’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitr’i Tsarabaria. Etsy an-daniny dia efa mametraka fomba fiasa matotra entina hanamafisana ny fandriam-pahalemana mandritra ny eo anivon’ny Komandin’ny vondrotobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena Vohémar.
Tanjona amin’izany ny hialana amin’ireo mety ho fangalarana sy fikorontanana mandritra ny fivarotana ireo lavanila maitso. Mbola hisy vokatra aman-taoniny maro tokoa manko hanampy ireo 4 taonina mahery efa hita eny an-tsena nanomboka omaly. Manatanteraka fidinana ifotony ireo zandary, noho izany, mandritra ny fisokafan’ny tsena. Manentana ny vahoaka ihany ko aizy ireo mba tsy hiroso amin’ny fitsaram-bahoaka raha toa ka sanatria misy ny trangana halatra lavanila maitso. Araka ny efa nambaran’ny ministry ny Fitsarana ny herinandro lasa teo tokoa dia voararan’ny lalàna, ary mampigadra ny firosoana amin’izany fitsaram-bahoaka izany. Ampahafantarina ary ny vahoaka fa ny fanolorana ireo mpanao ratsy eny anivon’ny mpitandro ny filaminana ihany no vahaolana mahomby.

Lire la suite

Articles Similaires