• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Antalaha : Rongony sy basy, olona enina voasambotra

08/08/2023 10:28 © Midi Madagasikara

Niainga tamin’ny fisamborana olona roa, lahy sy vavy ny raharaha ny asabotsy lasa teo.

“Nisy hetsika manokana mahakasika io fidorohana sy fivarotana zava-mahadomelina io ny polisy ao amin’ny kaomisaria ao Antalaha. Olona miisa roa ka vehivavy 49 taona ny iray no nosamborina tao tao Andampisoa secteur 9 noho ny fivarotana rongony. Rehefa nosavaina ny tranony dia nahatratrarana fonosana rongony maromaro izay mbola tsy vita tao anaty fonosana ny sasany” raha araka ny fanazavan’ny polisy. Mbola iny andro iny ihany dia nisy lehilahy telo laha sy vehivavy iray nosamborina tao amin’ny fokontany Ambatomitraka noho ny antony mitovy hatrany. Ny nahasamihafa azy dia mifoka sady mivarotra ireto farany. Nitohy hatrany ny hetsika ary nisy lehilahy roa hafa tratra ambodiomby teo am-pidorohana. Tsy nionona teo ny mpanao fanadihadana fa nizotra nankany amin’ny mpamatsy ireo zava-mahadomelina. Teo ary dia nisy lehilahy iray hafa sy vehivavy indray nosamborina ary rehefa nosavaina ny toeram-ponenany, ankoatra ny fahitàna rongony dia nisy basy vita gasy iray koa tao. “Basy PA izay nafenina tao ambany kidoro” raha araka ny fanamarihan’ny polisy hatrany. Olona enina izany no nanokafana fanadihadiana avy hatrany noho ny fifohana rongony, fivarotana izany ary ny fitazomana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alàlana.

Lire la suite

Articles Similaires