• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Andry Rajoelina tao Nosy Be - Somaroho : Hivoaka ny fonja ve i Ninie Donia ?

05/08/2023 06:12 © Moov.Mg

Nidina tany Nosy Be ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny alin'ny 4 aogositra. Nanotrona ny Festival Somaroho ny tenany, sady nilaza fa hamaly mivantana ny fangatahan'i Wawa. Ho tafavoaka ny fonja àry ve i Ninie Donia ?

Tamin'ny fanokafana ofisialy ny Somaroho andiany faha-10, ny 02 aogositra lasa, teo no nanao fihetsika nampihetsi-po i Wawa. Nandohalika ny tenany niangavy ny fitondram-panjakana ny amin'ny hijerevana manokana an'i Ninie Donia.
Omlay 4 aogositra dia niara-niditra ny kianjan'Ambodivoanio Nosy Be tamin'i Wawa ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Niakatra ny sehatra izy ka nambara tamin'izany fa tonga tao Nosy Be ny tenany hifampidinika amin'i Wawa. Marihana moa fa tsy nandray micro ny filoham-pirenena fa teny nampitondraina ny mpanentana no nahalalan'ny mpifety ny anton-diany. Tsikitsiky no hita teny amin'ny tavan'ny roa tonta ka adika amin'izany fa niravona ny olana.
Andrasana araka izany ny tohin'ny vaovao mikasika ny fangatahan'i Wawa momba ny amoahana an'i Ninie Donia any am-ponja.

Lire la suite

Articles Similaires