• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ufe_Madagascar
Image
Vaovao

Fifidianana filoham-pirenena 2023 : Ireo antontan-taratasy ilain'ny kandidà

04/08/2023 07:37 © Moov.Mg

Efa antomotra ny fisokafan'ny fametrahana antontan-taratasy ilaina ho an'izay te hilatsaka ho filoham-pirenena. Navoakan'ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana (HCC) ireo taratasy mila omanina amin'izany, ankoatra ilay caution mitentina 200 millions ariary.

Miisa 14 ireo antontan-taratasy ilaina ho an'ny kandida tsirairay, na avy amin'ny antoko politika na olon-tsotra.
1-Fanambarana firotsahana ho fidiana voasonian'ny Kandida izay voamarin'ny manampahefana mahefa
2-Kopia nahaterahana/Kopian'ny karapanondrom-pirenena malagasy
3-Certificat Nationalité Malagasy nomena latsaky ny 6 volana
4-Taratasy Casier Judiciaire Bulletin numero 3
5-Taratasy fanamarihana avy amin'ny Tomponandraikitry ny hetra fa nahavoaloa ny hetra ara-dalàna tokony aloany rehetra ilay kandida
6-Taratasy fanambarana avy amin'ilay kandida fa nahavoaloa hetra sy tatao-ketra ara-dalàna izy
7-Taratasy Filazam-pananana toy ny tany sy trano rehetra an'ilay kandida sy ny filazana ny fidiram-bolany rehetra
8-Taratasy fanamarinam-ponenana izay manamarina fa nipetraka sy nonina teto Madagasikara tao anatin'ny 6 volana farafahakeliny talohan'ny farany fametrahana taratasy filatsahan-kofidiana ilay kandida
9-Taratasy fanamarihana fa natolotry ny Antoko Politika mijoro ara-dalàna na vondrona antoko Politika ara-dalàna misy eto Madagasikara ilay kandida, na koa taratasy manambara fa manana olomboafidy mpiahy araka ny voatondron'ny Lalàm-pifidianana ny taona 2018
10-Taratasy fanambaran'ny kandida fa vonona hanaraka sy hanaja antsakany sy andavany ny Lalàm-panorenana izay apetraka amin'ny HCC
11-Quittance sy taratasy fanamarihana fa voarotsaka ara-dalàna ny caution firotsahana ho fidiana mitentina 200 Tapitrisa ariary voalazan'ny lalàna
12-Ny sary famantarana sy sarin'ny kandida (version electronique) ho ampiasaina amin'ny Bulletin unique
13-Kopian'ny fanamarihana ny fametrahana ny taratasy fanambaram-pananana teny amin'ny Bianco
14-Taratasy faneken'ny Kandida ny voalazan'ny lalàna momba ny famatsiambola ampiasaina amin'ny fampielezankevitra, hisorohana ny famotsiambola sy kolikoly ary fampiasambola tsy ara-dalàna.

Lire la suite

Articles Similaires