• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Hr2023
Image
Vaovao

Hery Rajaonarimampianina : Nanotrona ny "Isan-kerintaona faha-82" tany Ankaramalaza

04/08/2023 06:04 © Moov.Mg

Nifanindry an-dalana tamin'ny fitsidihana politikan'ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina any amin'ny faritra Vatovinany sy Sava ny isan-taonan'ny toby lehibe Ankaramalaza

Fiombonam-po

Niara-niombom-bavaka tamin'ireo fifohazana loterana malagasy tany amin'ny Toby lehibe Ankaramalaza i Hery Rajaonarimampianina. Araka ny nambarany tao amin'ny pejiny, tsy vao izao izy no namonjy izany fotoan-dehibe izany raha mbola teto an-tanindrazana. Niara-dia taminy moa ny filohan'ny Antenimierampirenena teo aloha sady biraon'ny HVM, Rivo Rakotovao.
"Lehibe loatra amin'ny fiainana maha-olona ary tsy azo atao ambanin-javatra ny fikoloana ny ara-panahy, satria Ny Fanahy no olona", hoy i Hery Rajaonarimampianina.

Fijerena ireo fahasarotana

Nararaotin'i Hery Rajaonarimampianina ny diany tany Ankaramalaza mba ahafantarana ny fahasahiranan'ireo mponina amin'ny tanàna lalovana. Notsindriany manokana tamin'izany fa mitarika fahasahiranana ny faharatsian'ny lalana, na ho an'ireo mponina, na ho an'ireo mpizaika sy mpizaha tany. Tsy vitsy moa ireo fiara voatery notaritina vao afaka tamin'ny fotaka mandrevo. Latsaka mantsy ny orana ka sady nalama ny lalana no feno fotaka. Tsy adino ny fiakaran'ny vidin'entana fampiasa andavan'andro.
Noho izany indrindra, handray ny andraikitra tandrify azy i Hery Rajaonarimpampianina raha tafaverina eo amin'ny fitondrana. "Mampalahelo fa betsaka ankehitriny ireo toerana saro-dalana tahaka izao eto Madagasikara, ary raha vao mirotsaka kely fotsiny ny orana dia efa misedra olàna ny rehetra amin'ny fifamoivoizana", araka ny nambarany tao amin'ny pejiny.

Lire la suite

Articles Similaires