• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Telma.Jpg
Image
Vaovao

SOMAROHO 2023 : Sady fialan-tsasatra no lanonambe ao Nosy Be

03/08/2023 07:32 © Moov.Mg

Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy omaly 02 aogositra ny Festival Somaroho andiany faha-10. Vory lanona ao Nosy Be ireo mpivahiny avy amin'ny lafivalon'ny Nosy, hotronin'ireo mponina marobe ao an-toerana.

Fety mampiavaka an'i Nosy Be

Folo taona izay no lasa fahazarana ho an'ny maro no mamonjy an'i Nosy Be rehefa vanim-potoan'ny fialan-tsasatra lehibe toy izao. Sady miala voly mantsy ireo mpitsidika no misitraka ireo tolotra ara-pizahan-tany rehetra. Nanomboka ny faran'ny herinandro lasa teo dia feno hipoka ireo trano fandraisam-bahiny. Ahitana fitohahan'ny fifamoivozana ihany koa ny ao Hell-Ville mihazo an'Ambalakatakata.

Omaly tolakandro, Carnaval no nanombohana ny hetsika. Nisalotra fanamiana miavaka ireo mpandray anjara, nentina nanehoana ny kolontsaina mampiavaka an'i Nosy Be, indrindra ny fandraisana anjara amin'ny fiarovana ny tontolo iainana. Ny tontolo alina kosa, nisy ny "bal d'ouverture" notanterahina tao amin'ny "village Somaroho", izay trano fonenan'ny mpanakanto Wawa. Nafana tanteraka ny lanonana rehetra. Hita taratra tamin'ny fiaraha-mandihy sy mifaly ny fihavanana malagasy. Samy avy amin'ny faritra samihafa mantsy ireo mpanotrona nefa tsy nisy nifampihafahafa fa niray fo sy saina niatrika ny fety.


Copyright Image : © Telma ADN

Groupe Wawa, 20 taona

Fety roa sosona ny an'i Wawa amin'ity taona ity : sady andiany faha-10 amin'ny Somaroho no fankalazana ny faha-20 taonan'ny tarika Wawa. Izany indrindra no nandraisan'i Wawa ireo mpankafy rehetra tany amin'ny toeram-ponenany omaly.
Manomboka rahariva ka hatramin'ny alahady, eny amin'ny Stade Ambodivoanio no anatanterahana ny Concert iarahana amin'ny mpanakanto maro : Basta Lion, Oladad, Nashan, Tence Mena, Rijade, Denise, Mamy Gotso, sns. Amin'ny fiafaran'ny Festival, izany hoe ny alahady 13 aogositra no hisy ny fisarihana goavana, izay ahazoan'ny tsara vintana Fiara 4x4.


Copyright Image : © Telma ADN

Lire la suite

Articles Similaires