• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Onu_À_Madagascar
Image
Vaovao

Mananjary – Gadra nitsaoka : « Efa noraisina ny fepetra »

02/08/2023 15:28 © Moov.Mg

Efa ao anatin’ny fikarohana tanteraka ireo voafonja enin-dahy tafatsaoka ny eo anivon’ny fitandroana ny filaminana ankehitriny, araka ny nambaran’i Tale jeneralin’ny Fandraharahana ny fonja, RALISAONA Arsène.

Marina ny vaovao mahakisaka ny fitsoahan’ireo voafonja

Nanamarina ny fisian’ny lositra na ny fitsoahana ny fonjan’i Manjary, izay nataon’ireo gadra enin-dahy ny Tale jeneralin’ny Fandraharahana ny fonja anio. « Nisy ny lositra na évasion, tao amin’ny fonja (maison centrale) izay niseho tamin’ny 03 maraina teo ho eo. Tsara marihina fa nisy ny fahatapahan-jiro nandritra ny fisehoan’izany tranga izany. tafatsoaka tamin’izany ny voafonja enina, izay marihina fa lehilahy avokoa izy ireo. » hoy ny RALISAONA Arsène nanazava.
Nanamafy ihany koa ity farany fa niseho tamin’ny alàlan’ny fanatsofana ny « grille de protection » izay nataon’ireo voafonja ity lositra na « évasion » ity. Ny mpiambina niasa tamin’io fotoana io anefa vitsy satria efatra fotsiny ny isan’izy ireo raha toa ka 700 mahery kely ny isan’ireo voafonja ao amin’ny fonjan’i Mananjary. Misy ny ezaka izay natao noho izany ho fikarohana ireo gadra tafatsoaka, fa ihany koa mba hialana amin’ny mety hisian’ny tranga toa izao indray.

Fandraisana fepetra

Mbola tsy nahazo vaovao raha ny mahakasika ny efa nahatratrarana na tsia ireo voafonja ireo, hatreto, hoy hatrany ny tale jeneralin’ny Fandraharahana ny fonja. Na dia izany aza dia efa nisy avy hatrany ny fepetra noraisina taorian’ny tranga.
« Ambitomboina ny ezaka. Nasiana ny personnel fanampiny ao amin’ny fonjan’i Mananjary amin’izao isika miteny izao. Efa naparitaka ihany koa ny sarin’ireo voafonja ireo any amin’ny toerana tsirairay, indrindra indrindra eny amin’ny « forces de l’ordre » izay ahitana ny zanadarimaria, ny polisy nasionaly, fa eo ihany koa ny fanaparitahana izany sary izany eny amin’ny fonja manodidina toa an’i Manakara, Farafangana, Vangaindrano, mba hahafahana mijery sao sanatria tafatsoaka manodidina ireny fonja sy toerana misy mpitandro ny filaminana ireny ireo voafonja enina ireo. » hoy ny Tale jeneralin’ny Fandraharahana ny fonja nanamafy.
Ankehitriny dia efa milamina ny filaminana eny amin’ny fonjan’i Mananjary. Efa misy ny éléments rehetra ao amin’ny « administration pénitentiaire » manao ny fihambenana ao anatin’izany fonja izany, izay ampian’ny polisy nasionaly sy ny zandary. Mbola karohina kosa, noho izany, ireo voafonja enin-dahy tafatsoaka.

Lire la suite

Articles Similaires