• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bde Ambohimangakely
Image
Vaovao

Ambohimangakely : Finday latsaka no nahatonga ilay loza nahafatesana motard

02/08/2023 10:29 © Moov.Mg

Mpitondra moto iray no maty tsy tra-drano teny Ambohimangakely omaly. Fiara 2 kosa no simba. Rehefa natao ny fanadihadihana voalohany dia fantatra fa noho ny fangalan'ilay mpamily Ligne E ny findainy izay latsaka no antony tsy nahafahany nitazona ny familiana. Samy avy any Ambohimalaza hihazo an'Ambohimangakely ireo moto sy camionette voadona ireo.

Mavesatra tokoa ny vokatr'ity lozam-pifamoivozana ity satria iray no maty, dia ilay tovolahy nitondra moto, sady nisy fahasimbana goavana na ny moto, na ny taxi-be, na ny camionnette. Miisa 13 ny naratra ka 06 no tena naratra mafy ary nalefa eny aminy hôpitaly CHUJRA. Ny 07 kosa efa nalefa nody rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ireo tao amin'ny CHRD Ambohimangakely .

Tsy fahamailoana

Latsaka ny findain'ilay mpamily ligne E ka nezahiny nalaina izany. Tsy nijanona nefa izy fa sady nentiny ihany ny fiara. Vokany, nahadona moto sady nifatratra tany amin'ny camionnette ilay fiara.
Fanamafisana ny fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivozana
Tsy azo atao ny milalao finday eny ambony familiana. Mazàna mantsy dia mihevitra ny tenany ho efa mahafehy tsara ny familiana ny mpamily sasany ka sahy mandray antso, mandefa sms na manao facebook mihitsy aza. Mahatonga loza nefa ny fikirakirana finday satria mahatonga tsy fifantohana.
Vao 24 taona monja ilay tovolahy mpitondra moto namoy ny ainy. Namela mananontena sy zanaka iray ny tenany. Mikasa hanao rodobe ireo motards namany mba ampaherezana ny fianakaviany. Entanina ny mpampiasa lalana rehetra mba samy hitandrina hatrany, indrindra moa fa ireo mpamily.
Hatreto aloha, tsy nisy ny fitazomana natao satria maratra bé ilay mpamilin'ilay taxi-be. Mitohy hatrany fanadihadihana.

Lire la suite

Articles Similaires