• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Raharaham-pitsarana eto Toamasina : Nidoboka am-ponja Rtoa Sidney Ericka

02/08/2023 10:21 © Midi Madagasikara

Nivoaka ny didy famonjana teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina mitondra ny laharana 2546/RP/23/15/SEL/J.O ny 26 jolay 2023, fa voafonja ao Ambalatavoahangy Rtoa Sidney Ericka, 25 taona, mpampianatra.

Ny fandikan-dalàna laharana 319 sy 320 no manenjika azy noho izy nitondra fiara tao anaty fahamamoana sy mbola nandeha mafy, ka nitarika fandratrana sy famoizana olona mihitsy tamin’izay. Ho an’ilay reny naratra nandritra izany dia nahazo 45 andro fialan-tsasatra teny amin’ny mpitsabo ny tenany, izay mampiditra ny fonja avy hatrany. Vokatr’izany fahafantarany fa mety hampigadra azy ny zavatra nataony, dia nampiasa olom-pantatra teto anivon’ny fitsarana ny tenany. Tsy vao sambany rahateo no nanaovany lozam-pifamoivoizana teto Toamasina fa fanintelony izay nitranga teo anoloan’ny hopitaly “manarampenitra” Morafeno. Tsy nahomby anefa ny tetiny nandritra izany fa tsy niova tamin’ny heviny ny mpitsara ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, ka nampidoboka azy am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy. Raha nanontaniana ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka Atsinanana, kaomisera Rakotovao Jean Christian, dia nambarany fa tsy manaiky lozam-pifamoivoizana amoizana ain’olona izany ny tenany, fa aleo hanao ny asany ny fitsarana amin’ny didy izay avoakany. Nentina tany Andovoranto ny fatin’ilay skoto kely nohosen’ny ramatoa tamin’ny fiara noho ny fahamamoany, ka voalevina ara-dalàna ny maty.

Lire la suite

Articles Similaires